Ny fitsanganan’ny maty

Mofonaina anio: Alarobia, faha 26 Aprily 2023

LIOKA 20.27-40

LIOKA 20.27-40
27 Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe: 28 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). 29 Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba. 30 Ary ny faharoa 31 sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy. 32 Ary farany dia maty koa ravehivavy. 33 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty ho vadin'iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy. 34 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak'izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; 35 fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; 36 ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty. 37 Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6). 38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra. 39 Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao. 40 Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.

Ny fitsanganan’ny maty

Misy ny tsy finoana ny fitsanganan’ny maty

Antokom-pivavahana iray nisy tamin’ny andron’i Jesoa Kristy ny Sadoseo , ary izay fantantsika momba ny Sadoseo eto dia izao : tsy mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty izy ireo (jereo and27) . Izany fiheverany ny tsy fisian’ny fitsanganan’ny maty izany o nentiny niresaka tamin’i Jesoa ka nanaovany ohatra kidaladala mba entiny hanaovana tsinotsinona ny fitsangan’ny maty araka ny ahitana azy eto (and28-33)

Ny valitenin’i Jesoa Kristy momba izany

Misy fifanoherana be mihitsy ny fiainana ety an-tany sy ny fiainana amin’izany fitsanganan’ny tena amin’ny maty izany .Eto amin’ity tany ity dia misy ny fahaterahan’ny olona ary misy koa ny fahafatesana’ny olona , izany hoe: ny fiterahana no miantoka ny fitohizan’ny taranaka . Any amin’ny fiainana mandrakizay kosa ho an’ireo izay mendrika hiditra amin’izany , rehefa afaka amin’ny fitsaran’ Andriamanitra dia hitsangana amin’ny maty ary ho velona mandrakizay ka tsy hisy fahafatesana intsony any .Noho izany dia tsy manan-toerana any intsony ny fanambadiana sy ny fiterahana .Tsy misy resaka hoe : iza no vadin’iza intsony any araka ny eson’ny Sadoseo

-Ankilan’izany , manamafy ny fisian’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty i Jesoa Kristy eto araka ny voalaza ao amin’ny tenin’ny lalàna hoe : Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, satria amin’Andriamanitra dia velona avokoa ny rehetra na ny marina kokoa ,hainy ny mamelona izay heverin’ny olona fa maty fa amin’ny fijerin’ny olona no misy maty ary tsy misy azo atao intsony .

Fanontaniana:

Ahoana ny fiainanao ilay fanekem-pinoana hoe:mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM