« Izaho no voalohany sy farany «
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Aprily 2023
APOKALYPSY 1.17-20
APOKALYPSY 1.17-20
17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] 19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 20 dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana* fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana* fito. [* Gr. eklesia]« Izaho no voalohany sy farany «
Fombam-pitenenana miverimberina asehon’ny Soratra Masina izany ary Andriamanitra izay ao amin’i Jesoa Kristy irery no mendrika miteny izany .Izy ihany koa no afaka manao hoe: « Izaho » (ampitahao Eks 3.14) . Nadika hoe : voalohany sy farany ny Alfa sy Omega izay fiandohana sy fiafaran’ny alfabeta Grika .Izany dia entina ny fahafenoan’ny zavatra iray izany sy indrindra koa ny hery amam-pahefan’Ilay Andriamanitra Tsitoha Tompon’ ny tantara sy izao tontolo izao ,Tompon’ny zavatra rehetra ary manam-pahefana feno sy tanteraka amin’izany , hatramin’ny taloha sy ankehitriny ary amin’ny ho avy .
Maty nefa velona mandrakizay
Tena nahavariana ny làlam-piainan’ny Tompo Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy : velona Izy dia novonoina ,nefa velona indray ary ho velona mandrakizay . Raha amin’ny maha-Andriamanitra Azy dia tsy tokony handalo io fahafatesana io mihitsy akory Izy ,saingy noho ny faharatsian’ny olombelona ka nahatonga ny olona ho faty dia nitady vahaolana Andriamanitra tamin’ny nahatongavany ho olona tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ary nanaiky ho faty ho fanesorana ny olona amin’izany fahafatesana izany , izany hoe : hisolo vaika ny olona izay meloka ka tokony ho faty mandrakizay noho izany fahotana vitany izany .Noho izany plan’Andriamanitra izany àry , noho ny nahafatesany sy ny nahavelomany indray dia afaka ny ho velona koa ny olona izay tsy maintsy maty noho ny fahotana , ho velona indray izay manana sy mino an’i Jesoa Kristy ,Ilay voalohany sy farany sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana .
Fanontaniana:
Ny olona efa maty ve mety mbola ho velona indray ? Amin’ny fomba ahoana no isian’izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM