Novonoina ary nahantona tamin’ny hazo i Jesoa
Mofonaina anio: Zoma, faha 21 Aprily 2023
ASAN'NY APOSTOLY 10.34-43
ASAN'NY APOSTOLY 10.34-43
34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; 35 fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany. 36 Hianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin'ny Zanak'isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin'ny alalan'i Jesosy Kristy (Izy no Tompon'izao rehetra izao), 37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra teo aorian'ny batisa izay notorin'i Jaona, dia ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, 38 Izay nohosoran'Andriamanitra tamin'ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. 39 Ary izahay no vavolombelon'ny zavatra rehetra izay nataony tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema; Izy dia novonoiny nahantony teo amin'ny hazo; 40 nefa natsangan'Andriamanitra kosa Izy tamin'ny andro fahatelo ka nasehony marimarina, 41 tsy tamin'ny olona rehetra, fa tamin'ny vavolombelona izay notendren'Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy. 42 Ary Izy nandidy anay hitory amin'ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin'Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty. 43 Izy no ambaran'ny mpaminany rehetra, fa amin'ny anarany no hahazoan'izay rehetra mino Azy famelan-keloka.Novonoina ary nahantona tamin’ny hazo i Jesoa
Raha ny lojikan’ny fiainan-janak’olombelona dia izay mandika lalàna sy manao ratsy no helohina na saziana araka ny heloka na faharatsiana vitany .Hita mihitsy fa marina ara-tSoratra masina izany toe-javatra izany ,satria voalaza hoe : ny fahafatesana no tambin’ny ota (Rom 6.23). Diso kosa anefa izany lojika izany raha miresaka an’i Jesoa Kristy manokana , satria tsy nanota velively Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany (1 Pet 2.22), kanefa dia novonoina ary nahantona tamin’ny hazo izy . Koa mba ho famonjena ny olona àry dia nanaiky nahantona tamin’ny hazo sy novonoina i Jesoa Kristy satria raha tsy nanaiky hatao izany Izy dia tsy misy fanavotana azon’ny olona .
Natsangan’Andriamanitra kosa anefa Izy
Novonoina Izy nefa tsy nijanona teo amin’ny fahafatesana akory ny zava-nisy fa indro Izy novelomin’ny Tompo Andriamanitra indray . Araka izany ,ny fandaminana sy ny fanamboarana ary ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra noravan’ny olona dia nataon’Andriamanitra tokoa ary tsy nataony ho an’ny olona voatokana ihany akory izany fa ho an’izay rehetra mino Azy. Mbola hamafisina eto ve fa izay olona matahotra Azy ,ka manao ny marina no ankasitrahany avy amin’ny firenena rehetra ? Izany hoe : tsy manavaka na iza na iza mihitsy akory ny Tompo fa tiany ho voavonjy avokoa ny olona rehetra raha toa ka manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy, vonona hiala amin’ny tsy fahamendrehany ary vonona handao tanteraka ny faharatsiany ka hanaiky ny finoana sy ny fanarahan-dia Azy .
Fanontaniana :
Mitondra inona ho an’ny mpino ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM