Jesoa Kristy Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Aprily 2023

MATIO 28.1-7

MATIO 28.1-7
1 Ary tamin'ny alin'ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. 2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. 3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny oram-panala; 4 ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty. 5 Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. 6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo. 7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.

Jesoa Kristy Tompo

1-Mpandresy ny tahotra

« Aza matahotra ianareo » (and5 b) .Nitondra tahotra sy horohoro teo amin’ny mpiambina ny fasana ny fahitana ny anjelin’ny Tompo izay nanakodia ny vato,mitafy lamba fotsy tahaka ny orampanala .Toe-javatra tsy mahazatra no natrehana teto : aizina , fasana ,fitafiana fotsy tahaka ny orampanala .Ny hafatra voalohany nambaran’ny anjely dia ny fanalana ny tahotra . Jesoa Kristy Tompo no mandresy ny tahotra . Ny Tenin’ny Tompo no mpanafaka antsika .

2-Mpandresy ny fahafatesana

« Tsy ato Izy fa efa nitsangana « (and6) .Vavolombelon’ Ilay efa nandresy ny fahafatesana ny anjely ,ny mpiambina, ary ry Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray . Resin’i Jesoa ny fahafatesana tsy nahatazona Azy ny fasana .Na dia teo aza ny fiatrehana ny hazo fijaliana izay nandatsahany ny Rany ho mariky ny fitiavany antsika dia nandresy Izy . Velona ny Tompontsika . Jesoa no santatra amin’ny fandresentsika .

3-Marina amin’ny Teniny

« Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy » (and6).Efa nanambara ny Tompo fa tsy maintsy hoatrika ny hazo fijaliana indray avy eo .Na dia niteny izany aza anefa Tompo dia azo lazaina fa nandalo fotsiny tamin’ireo mpianatra izany . Eto àry dia mampahatsiaro ny Tenin’ny Tompo sy anjely ary mampiharihary ny fahatanterahan’izany . Araka izany , ny fandraisana am-pinoana ,fandraisana am-po ny Tenin’ny Tompo no isan’ny vaha-olana ho antsika hahazoantsika misitraka herin’ny fitsanganana amin’ny maty .raiso ho anao ny Teniny .

Fanontaniana :

Mitondra inona avy ho antsika ny fandresen’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM