Ireo toetra mampiavaka ny Tompontsika

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Aprily 2023

HOSEA 6.1-3

HOSEA 6.1-3
1 Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika. 2 Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika 3 Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.

2-Maharitra mandrakizay

Tsy manam-petra ny Tompontsika fa maharitra mandrakizay .Nanamafy izay i Jesoa Kristy ka nambarany fa Izy no Alfa sy Omega ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy (Apo 1.8) .Mbola tsy teraka i Abrahama dia efa teo Izy .

3-Mamonjy sy manafaka

« Izy no mamonjy sy manafaka «  (Dan 6.28a) . Niaiky i Dariosa mpanjaka araka ny hitan’ny maso fa hain’ny Tompo ny mamonjy sy manafaka ny mpanompony izay mandalo fotoan-tsarotra .Jesoa Kristy lay nanangana an’i Lazarosy sady nandresy ny fahafatesana no Mpamonjy antsika .

4-Manome fanambinana

« Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin’ny nanjakan’i Dariosa sy tamin’ny nanjakan’i Kyrosy Persiana «  (and29) .Nomena andraikitra miavaka i Daniela izay tonga olona ambony sy manan-kaja ary manam-pahefana .Voasoratra fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezantsika aina ao amin’ny Tompo (1Kor15.58) . Sahia àry mandray andraikitra !

Fanontaniana :

Tanisao ireo toetra mampiavaka ny Tompontsika .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM