Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Aprily 2023
FILIPIANA 3.1-11
FILIPIANA 3.1-11
1 [Anatra nataon'i Paoly mba tsy haneken'ny Filipiana izay mpampianatra sandoka, fa hitady handroso amin'ny fitondran-tena tsara rehetra] Farany, ry rahalahy, mifalia* ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. [* Na: veloma] 2 Tandremo ny tenanareo amin'ny amboa, tandremo ny tenanareo amin'ny mpanao ratsy, tandremo ny tenanareo amin'ny voakilema. 3 Fa isika no voafora, izay manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra ary manao an'i Kristy Jesosy ho reharehantsika ka tsy mitoky amin'ny nofo; 4 kanefa mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany aho. Raha misy olona hafa manao hitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho; 5 fa voafora tamin'ny andro fahavalo aho, avy amin'ny fototr'isiraely, dia avy amin'ny firenen'i Benjamina; Hebreo sady avy amin'ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo; 6 araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana*; araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny. [* Gr. eklesia] 7 Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin'i Kristy. 8 Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran'ny hatsaran'ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an'i Kristy; 9 ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny finoana; 10 eny, mba ho fantatro Izy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, 11 raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty.Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo
Ny tena lalina tao amin’i Paoly dia ny hahalala an’i Kristy Jesoa bebe kokoa .Tsy maintsy manao dingana anefa izy ary ny voalohany amin’izany dia :
1-Manadino ny taloha
Izay tian’ny mpanoratra ambara eto dia izay mety ho fombafomba natao nanamarika ny maha-izy ny tena ,nefa tsy mifanaraka amin’i Kristy .Isan’izany ny fanandratana ny tena , ny fiaviana,ny toerana misy eo amin’ny fiaraha-monina ,na zavatra hafa ho manan-danja teo amin’ny fiainana talohan’ny maha-kristiana .Noezahany adinoina ireo talohany ireo ,fa midera an’Andriamanitra amin’ny Fanahy izy ireo noho ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo .Ho antsika koa , aoka hanadino ny taloha .
2-Atao amin’ny Anarany ny fangatahana atao
Tsy nataony ho zavatra intsony ny sata, ny haja nomena azy ,ny foko niaviany ,ny fombafomba m-pivavahana ,fa nataony ho taimboraka ireny satria hitany izay tokony ho reharehany ka hoy izy hoe: ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny fahatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompo ,izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra .Tsy fahalalana an’iKristy an-tsaina fotsiny no reharehan’i Paoly eto ,fa fahalalana Azy akaiky ,fifandraisana ny fiainana ,fandraisana ny tombontsoa ary famonjena amin’ny alalan’ny finoana .Koa raha misy rehareha dia aoka Kristy no ho reharehantsika , fa Izy no naha-toy izao ny fiainantsika .
Fanontaniana :
Mba manana fireharehana ankoatran’i Kristy ve ianao amin’ny fiainana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM