Mbola misy ve kristiana nefa mbola mihazakazaka mankeny amin’ny fasana mba hivavaka?

Mofonaina anio: Alahady, faha 09 Aprily 2023
LIOKA 24.1-12.
1 Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. 2 Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana. 3 Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo. 4 Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. 5 Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona? 6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: 7 Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. 8 Dia nahatsiaro ny teniny izy. 9 Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra. 10 Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly. 11 Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany. 12 Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.

Anisan’ny fahamarinana fototra ao amin’ny Filazantsara ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty . Noho ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo dia :

1-Foana ny fasana

Fanaon’ny olona tamin’izany fotoana izany ny manosotra zava-manitra ny faty mba hitehirizana azy tsy ho simba .Raha nandeha nankany amin’ny fasana anefa ireo vehivavy dia voaporofo fa efa nitsangana ny Tompo . Foana ny fasana . Manamarina ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ny zava-misy voalaza eto. Manaporofo koa fa Izy no Zanak’Andriamanitra (Jao 10.17-18) izay manamafy ny fahamarinan’ny Soratra masina (Sal 16.10/Lio 24.44/ Asa 2.31) . Ilay fasana foana no mampiharihary fa tena nitsangana i Jesoa ary Zanak’Andriamanitra tokoa Izy .

2- Nikodia ny varavaram-pasana

Iza no hisolo antsika hanakodia ny vato eo amin’ny varavaram-pasana ? .Izany no adihevitra teo amin’ireo vehivavy teny an-dàlana . Ireto vehivavy ireto izay tsy niankina tamin’iza ary nanana izay antony nanosika azy dia sady vavolombelona voalohany nahita ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty no Misionera voalohany koa ho an’ny fiangonana. Ny vato efa nikodia no manamarina fa resin’ny herin’ny Tompo ny sakana rehetra .Efa voakodia ny ny varavaram-pasana raha mino isika . Mampahatsiahy ny mpanoratra fa ny finoana an’i Jesoa Kristy no hanakodia ny vato izay misakana ny hahatanterahan’ny fikasana .

Fanontaniana :

Mbola misy ve kristiana nefa mbola mihazakazaka mankeny amin’ny fasana mba hivavaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM