Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Aprily 2023

ROMANA 5.6-11

ROMANA 5.6-11
6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy. 7 Fa saiky tsy misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; fa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty asa hamonjy ny manao soa. 8 Fa Andriamanitra mampiseho* ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. 9 Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika. 10 Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina. 11 Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin'Andriamanitra isika amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo

1- Maty hamonjy antsika i Kristy

Tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika .Maty ho antsika Izy ho famonjena sy fahafahantsika manatona Azy .Novakiana ho antsika ny tenany , ary nalatsaka hisolo antsika ny Rany (1Kor 11.24-26).Raha eo amin’ny fiainantsika zanakolombelona , mety ho vitsy ny hanolo-tena ho faty hisolo ny maro.I Kristy kosa anefa , raha maty dia ho famonjena antsika , satria tsy mendrika isika , sady tsy manankery hanavo-tena .Maty hamonjy antsika i Kristy.

2-Ho fampihavanana antsika amin’Andriamanitra

Tami’ny alalan’i Jesoa Kristy natsangany tamin’ny maty no nanehoan’Andriamanitra ny fihavanana taminy .Maneho ny fitiavany tokoa Izy na dia nilatsaka ho fahavalony aza isika .Tsarovy fa efa vita fihavanana taminy isika tamin’ny alalan’ny zanany .Tsy mandao ny mpino Izy , ary manam-piadanana sy fifaliana izay ao Aminy , na dia eo aza ny fahoriana misy . Ny mpino tsara fihavanana amin’Andriamanitra dia afaka mijoro vavolombelon’ ilay nandresy ny fahafatesana sady manana hery ihoarana ny androm-pahoriana maro . Ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fifaliana mandrakizay amin’ny gfanatrehan’Andriamanitra no fiafaran’ny zavatra rehetra ho an’ny mpino izay vita fihavanana Aminy .

Fanontaniana:

Inona avy ny dingana efa nolalovanao mba hanananao fihavanana amin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM