Jesoa Kristy Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Aprily 2023
Lioka 19,29 - 44
29 Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra 30 ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento er? . 31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. 32 Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy. 33 Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky? 34 Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. 35 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy. 36 Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo. 37 Ary rehefa nanakaiky Izy ka tonga teo am-pidinana amin'ny tendrombohitra Oliva, dia nifaly avokoa ny mpianatra maro be ka nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery noho ny asa lehibe rehetra izay efa hitany 38 ka nanao hoe: Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin'ny avo indrindra. 39 Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin'ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao. 40 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso. 41 Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy 42 ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany. 43 Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan'ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina 44 ary hamongotra anao hatramin'ny tany mbamin'ny zanakao ao anatinao, ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, ho valin'ny tsy nahafantaranao ny andro namangiana anao.Jesoa Kristy Tompo
1-Manana fahalalana tsy takatry ny saina
Nahatalanjona ny fidirana tao Jerosalema . Mpanjaka malemy fanahy sady mitaingina zana-boriky .Nahagaga tokoa ny fomba nanirahan’i Jesoa ireo mpianany sy izay rehetra nasainy hotanterahana .Tanteraka avokoa izay lazainy , izany hoe : mahalala ny zavatra rehetra Jesoa ,tsy takatry ny sain’olombelona ny fahalalany .Toy izany koa no nataon’i Jesoa tamin’ilay vehivavy teo am-patsakana .Fantany tamin’ny antsipirihany avokoa ny fiainan’ity vehivavy ity (Jao 4.1-27). Mahalala ny fiainako sy ny fiainanao Izy . Izany no maha-Andriamanitra Azy .
2-Manetry tena
Velom-panantenana ny olona fa ho afaka sy ho avotra amin’ny fangejana nisy . Tsy nikasa hanongam-panjakana akory i Jesoa. Tonga hanompo Izy fa tsy hotompoina .Niditra tao Jerosalema tanànany Izy ,toy ny mpanjaka , saingy amin’ny maha-Mpanjaka manetry tena Azy . Fianarana ho antsika izany , fa izay rehetra manetry tena no hasandratra (Lioka 18.14)
3-Mpanafaka
Fifaliana ny fahatongavan’i Jesoa , novelarin’ny olona hanomezana voninahitra sy fanajana Azy ny lambany ,nanofahofa sampankazo izy ireo sady niantsoantso hoe : « Isaorana ny mpanjakan’ izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah » (and38).Horakoram-pifaliana no nataon’ny vahoaka fa Jesoa kosa nitomany raha nitazana an’i Jerosalema .Tonga hanafaka Izy fa ny Azy tsy nandray Azy (Lio 13.34)
Fanontaniana:
Fianarana tsara ny fiainan’i Jesoa ,vonona hanao toy izany ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM