Andriamanitra manana fahefana
Mofonaina anio: Talata, faha 04 Aprily 2023
2 PETERA 2.11-16
2 PETERA 2.11-16
11 Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin'ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan'ny Tompo. 12 Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany, 13 ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany*, raha miara-mihinana aminareo, [* Na: [amin'ny famitahany]. 14 manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy; 15 efa niala tamin'ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan'i Balama, zanak'i Beora*, izay tia ny tambin'ny tsi-fahamarinana, [*Na: Bosora]. 16 nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon'olona ka nisakana ny hadalan'ilay mpaminany.Andriamanitra manana fahefana
1-Handringana
Eto i Petera dia mampiseho ny toetry ny mpanao fampianarandiso . Niely tamin’ny vanimpotoana avokoa ireo fahasahiana maro samihafa izay mifanohitra tanteraka amin’ny Filazantsaran’i Kristy (and 13,14,15) .Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza fa haringana tokoa amin’ny fahalotoany ny toy izany (and.12), ary hiharan’ny ratsy ho valin’ny faharatsiany izy (and.13a). Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona izay tsy manao ny sitrapony. Manana fahefana handringana Izy. Mampahatsiahy ny fanamelohana nataon’i Jesoa amin’ireo Fariseo fahizay ny zavamisy, niseho mahafantatra ny lalàna izy ireo kanefa tsy manaiky fahefan’Andriamanitra. Manana fahefana handringana Izy noho izany ny sitrapony no tanteraho.
2 Hamonjy
Nitanisa ireo faharatsian’ny mpanao fampianaran-diso i Petera eto amin’ity lahatsoratra ity. Na teo aza ireo tetika sy paika nentin’izy ireo, Andriamanitra kosa dia misakana azy an-dalana tamin’ny alalan’ny anjely, ary nampitenen’ny Tompo ny boriky. Voavonjy tokoa Balama noho ny fiasan’Andriamanitra tamin’ilay boriky izay tonga nanana feon’olona. Manana fahefana hamonjy ny olony tokoa Andriamanitra amin’ny fotoanany. Tsy misy tiany ho very isika na dia ray aza. Efa nomeny i Jesoa Kristy hamonjy sy hanavotra antsika. Anjaran’ny tsirairay ny manapakevitra. Minoa an’i Jesoa raha te hovonjena.
Fanontaniana :
Samy te ho voavonjy avokoa isika rehetra, inona ary no tokony hataonao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM