Ny fotoam-pamonjen’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Aprily 2023

ZEFANIA 3.14-20

ZEFANIA 3.14-20
14 Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15 Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. 16 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. 17 Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana* amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. [*Heb. hangina] 18 Hangoniko izay manina* ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy**. [*Na: efa lavitra] [**Na: Ary mitambesatra aminy ny fandatsana anao (Heb. fandatsana azy); na: Avy taminao izay itambesaran'ny latsa ireny] 19 Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra*. [*Na: any amin'ny tany rehetra izay efa nitondrany henatra] 20 Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah.

Ny fotoam-pamonjen’ Andriamanitra

1-Fotoana ifaliana

Noho ny fivadibadihan’ny Zanak’ Israely tamin’ Andriamanitra dia nofaiziny izy ireo, ka niharan’ny fitsarany .Eto anefa dia ampirisihan’I Zefania tsy ankiato ny Israely hanandratra fifaliana ,satria efa tonga ny fotoam-pamonjena , efa nampitsahatra ny fitsarany Andriamanitra ,nandroaka ny fahavalo, tsy hampahita loza intsony (and15) ,tsy hisy  intsony  ny famaizana sy ny fanamelohana . Homba azy ireo Izy ka hiaro azy amin’ny fahavalo maro. Ny fotoam-pamonjena tokoa dia fotoana anesoran’Andriamanitra  ny olona  amin’ireo geja maro manakana azy  tsy hanana fiainana mirindra sy milamina .Koa rariny  loatra raha ho faly  ny Israely .Izaho sy ianao  koa dia tsy diso anjara  amin’izany fotoam-pamonjena izany sy hilaza toa an’i Davida hoe: “Manozona izy ireo,ianao kosa miahy ,mitsanga-menatra izy fa mifaly  kosa ny mpanomponao”(Sal 109.28)

2- Fotoana anomezan’Andriamanitra toky

Andriamanitra dia nihazona ny fanekeny ,ary manavao izany amin’ny Israely . Mamelom-panantenana ny Tenin’Andriamanitra izay entin’iZefania : « Aza matahotra« (and16).Manome toky ho an’nyvahoakany Andriamanitra . Ahariharin’i Zefania fa mahery tokoa Ilay hamonjy sy hanafaka ny Israely .Manome toky ahy sy ianao ihnay koa Andriamanitra amin’ny alalan’ireo teniny mba hahafantarantsika ny tena fitiavany izay nasehony tamin’ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy , araka izay efa voasoratra ao amin’ny Jeremia 31.3

Fanontaniana :

Sarobidy tokoa ny famonjen’Andriamanitra ,manao ahoana ianao manoloana izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM