« ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana… » (and2)
Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Martsa 2023
1 TIMOTY 2.1-7µ
1 TIMOTY 2.1-7µ
1 [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, 2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. 5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, 6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. 7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.« ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana… » (and2)
Amin’i Paoly Apostoly dia tokony hatao ny fivavahana ho an’ny olona rehetra , indrindra ho an’ny manam-pahefana .Ny tanjona amin’izany fivavahana izany dia mba hisian’ny filaminana , fitoniana eo amin’ny tany ama-monina .Miankina amin’ny vavaka ataon’ny mpino ho an’ny mpitondra sy ny mana-pahefana no isian’ny fandriampahalemana . Koa mazotoa mivavaka ho an’ny mpitondra satria avy amin’Andriamanitra ny fahefana. Noho ny fanajan’ny mpino kristiana an’Andriamanitra nifidy ireo mpitondra ireo no antony tsy maintsy ivavahana ho an’ny mpitondra . Ny olona mino an’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mivavaka ho an’ny mpitondra .
2-Manaiky an’i Jesoa mpanalalana
« fa iray no Andriamanitra ary iray no mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona , dia Kristy Jesoa « (and5)
Ao amin’ny fanekena vaovao , ny fanekena ny « persona »sy ny finoana an’i Jesoa Kristy no hany làlana tokana Ray ho ara-dalàna amin’ny fifandraisana Aminy . Jesoa Kristy no mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona mila vonjy.Jesoa Kristy no Mpisorona ho antsika .Jesoa Kristy , Ilay olombelona feno mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra izay nolavin’ny mpampianatra sandoka tamin’izany .Ho an’ny mpino kristiana kosa, Jesoa Kristy izay nanolotra ny tenany ho sorona indray mandeha monja na nampihavana ny olombelona rehetra mino Azy amin’Andriamanitra . Koa minoa an’i Jesoa Kristy dia ho vita fihavanana amin’Andriamanitra ianao .
Fanontaniana :
Ahoana no iainanao ny fampihavanana nataon’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM