Ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Martsa 2023
OHABOLANA 14.29-35
OHABOLANA 14.29-35
29 Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany. 30 Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana. 31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy. 32 Ny ratsy fanahy azera* noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.[Na: roahina] 33 Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary. 34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona 35 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.Ny toetra ankasitrahan’Andriamanitra
1-Manampy ny mahantra
« izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny mpanao azy , fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra azy » (and31)
Mananatra antsika indray ny Soratra masina eto fa ny mahantra dia tian’Andriamanitra ary ny fanaovana tsinotsinona azy ireny dia midika ho fanamavoana Ilay Andriamanitra Mpahary azy , ary izay tia azy ireny kosa dia manome voninahitra an’Andriamanitra . Noho izany , ho anao izay efa nanamavo ireny mahantra ireny dia aza manao izany intsony fa miovà , satria tian’Andriamanitra izy ireny .Ho anao izay efa zatra manasoa azy ireny dia tohizo hatrany , satria fanomezam-boninahitra izany . Jesoa Kristy rahateo koa sady tia ny mahantra no akaiky azy ireny , mitaona antsika hitia azy ireny satria izay natao tamin’izy ireny dia natao tamin’i Jesoa kristy ihany koa.
2-Manao ny marina
« ny fahamarinana manandratra ny firenena , fa ny ota kosa dia fahafahambaraka amin’ny olona » (and34)
Raha tiana hisandratra ny firenena dia tsy maintsy manao ny marina sy miorina amin’ny fahamarinana izay atao . Koa manoloana ny tsy fisian’ny tsy-fahamarinana amin’ny endriny maro samihafa misy eto amin’ny firenena , dia mila miverina manao ny marina ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny sehatra rehetra misy azy. Fanalahidin’ny fampandtosoana ny firenena ny fisian’ny fahamarinana ao aminy . Koa manaova ny marina , atombohy eo aminao sy ny seahtra asa misy anao izany .Jesoa Kristy rahateo no Ilay Fahamarinana ka izay manao ny marina dia miombona aina amin’i Jesoa Kristy .
Fanontaniana:
Inona no andraikitra tokony horaisinao hampanjakana ny fahamarinana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM