Andriamanitra manitsy ny olony
Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Martsa 2023
2 SAMOELA 12.7-15
2 SAMOELA 12.7-15
7 Dia hoy Natana tamin'i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin'ny tànan'i Saoly; 8 ary nomeko anao ny tranon'ny tomponao sy ny vadin'ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen'Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao; 9 koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin'i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin'ny sabatry ny taranak'i Amona izy. 10 Koa noho izany dia tsy hiala amin'ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin'i Oria Hetita ho vadinao. 11 Izao koa no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin'ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin'ny vadinao amin'izao antoandrobenanahary izao. 12 Fa ianao nanao izany tao amin'ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan'ny Isiraely rehetra sy amin'izao antoandrobenanahary izao. 13 Dia hoy Davida tamin'i Natana: Efa nanota tamin'i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin'i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. 14 Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao. 15 Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin'i Oria tamin'i Davida, ka dia narary be ny zaza.Andriamanitra manitsy ny olony
1-Manambara ny fahadisoany
« koa nahoana ianao no nanamavo ny Tenin’i Jehovah ka nanao izay ratsy teo imasony ? » (and 9)
Nanota teo anatrehan’Andriamanitra i Davida tamin’ny nakany ny vadin’i Oria sy nanaovany izay hahafaty an’i Oria . Nanoloana izany dia naniraka an’i Natana hanambara ny fahadisoan’iDavida taminy Andriamanitra .Nampahafantatra tamin’iDavida ny fahadisoany Andriamanitra .Toy izany koa ny Soratra Masina : ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra dia tsy maintsy manambara ny fahadisoan’ny olona .Mila manaiky ny olona fa ratsy eo anatrehan’ny Tompo . Koa raha misy manambara aminao ny fahadisoanao dia aza tezitra aminy na miady aminy fa fomba fiasan’Andriamanitra amin’ny finoana an’iJesoa Kristy izany .
2-Mamela ny helony
« ...efa nanota tamin’i Jehovah aho…Jehovah efa nanaisotra ny helokao ka tsy ho faty ianao » (and13)
Teny nifanakalozan’i Davida sy Natana izany .Rehefa ren’i Davida ny fanamelohana azy noho ny fahotana nataony dia niaiky ny fahadisoany teo anatrehan’Andriamanitra izy.Namela ny fahadisoany Andriamanitra ka tsy maty i Davida. Na izany aza anefa ,dia maty ilay zaza naterany tamin’i Batseba . Mamela ny heloky ny mpanompony Andriamanitra izay miaiky ny fahadisoany kanefa dia misy sazy famantarana fa efa nanota tamin’Andriamanitra ilay olona . Andriamanitra mamela ny heloky ny olona ,saingy mizaka ny vokatry ny nataony ihany koa ilay olona . Jesoa Kristy no famindrampon’Andriamanitra . Ekeo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny fahotanao dia hamela ny helokao Izy .
Fanontaniana :
Ahoana ny fiheveranao izany hoe: « voavela heloka »?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM