Ny olona nofidian’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Martsa 2023

1 TIMOTY 1.12-22

1 TIMOTY 1.12-22
12 Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, 13 dia izaho, izay mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [* Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 14 Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tet? ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. 17 Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. 18 Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo, 19 amin'ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana; 20 naman'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy. [ Gr. hanao blasfemia, izahao Mat. 9,3]

Ny olona nofidian’Andriamanitra

1-Mahatsiaro ny faharatsiany

« ary izaho izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika ny mpampahory kanefa … »(and13)

Rehefa tonga mpanompon’Andriamanitra nahatoky i Paoly Apostoly ary fantany fa tsy avy taminy no nahatonga azy ho azo antoka amin’ny fanompoana , dia nisaotra an’i Jesoa Kristy Izy .Tamin’izany ihany koa no nahatsiarovany fa efa nanao izay ratsy teo anatrehan’Andriamanitra izy : mpiteny ratsy ,mpanenjika ny fiangonana ,mpampahory .Ny mpanompo mahatoky amin’ny fifidianan’Andriamanitra azy ,no mahatsapa fa tsy mety ny natao fahiny , ary hery manosika azy hahatsapa bebe kokoa fa mpaminrafo Andriamanitra .Famindrampon’Andriamanitra ny fiantsoany sy ny fifidianany .Koa mijoro ho mahatoky hatrany amin’ny fanompoana ,satria efa namindrana fo ary nofidiany ho mpanompony isika .

2-Manaiky ny famonjen’i Kristy Jesoa

« …tonga teto ambonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota ary amin’ireny izaho no lohany » (and15)

Paoly Apostoly dia manaiky sy mankasitraka tsy misy fisalasalana fa an’i Kristy izy satria fantany fa ny antony nahatongavan’i Kristy dia hamonjy ny mpanota . Ilay olona nilona sy niaina tao anatin’ny fahotana no antony nahatongavan’i Kristy .Niala tamin’ny toeram-boninahitra izay nisy azy tany an-danitra i Jesoa ka tonga mba hamonjy ny mpanota ety an-tany .Rehefa mahatsiaro ny tenany ho mpanota ny olona dia resy lahatra fa i Jesoa Kristy no MPAMONJY .Koa maneke an’i Jesoa Kristy sy ny famonjena vitany ho anao .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hanehoanao ny maha-olomboafidin’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM