Andriamanitra manasitrana ny tany
Mofonaina anio: Talata, faha 21 Martsa 2023
JEREMIA 33.1-9
JEREMIA 33.1-9
1 [Teny anankiray koa ny amin'ny mbola hampodiana sy ny Isiraely sy ny voninahitra mbola ho azony] Ary tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany; 3 Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. 4 Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra, 5 Raha mandroso hiady amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra: 6 Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana. 7 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy. 8 Ary hodioviko ho afaka amin'ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko. 9 Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.Andriamanitra manasitrana ny tany
1-Manome fiadanana ho azy
« … ary hasehoko aminy ny haren’ny fiadanana sy ny fahamarinana « (and6) Andriamanitra nampanantena ny vahoaka voafidiny dia ny firenen’i Joda fa rehefa miverina avy any am-pahababoana izy ireo dia Izy no hanome fiadanana ho azy ireo . Niala tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny vahoakan’i Joda dia tsy maintsy ho lasa babo . Na dia eo aza anefa izany , Andriamanitra mitana ny teny nataony tamin’ny vahaoaka no antoka mahatonga famonjena ho azy ;, ary tanteraka izany tamin’ny nanomezany an’i Jesoa Kristy zanany ,Ilay Tompon’ny fiadanana mba hananan’izay rehetra mino fiadanana.
2-Manadio ny vahoakany
« ary hodioviko ho afaka amin’ny helony rehetra izy izay nanotany tamiko... »(and8). Ampiasaina ny teny hoe: « nodioviko » eto ilazana ny famelana ny heloky ny vahoaka izay efa nanota niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra . Fepetra amin’ny fahatanterahan’ny teny fampanantenana ny fanadovana sy ny famelan-keloka ataon’Andriamanitra amin’ny olony .Noho izany ,ny olona voavela heloka ihany no misitraka sy miaina teny fampanantenana nataon’Andriamanitra .Koa maneke avelan’Andriamanitra heloka amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba handraisanao ny fitahiana sy ny fahasoavana aterak’izany . Koa maneke ny fanadiovana avy amin’ny Tompo dia hositraniny amin’ny olona samihafa mahazo azy ny tanintsika .
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy andraisanao ny fiadanan’i Jesoa Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM