Ny fanamarinana avy amin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Martsa 2023

ROMANA 5.15-21

ROMANA 5.15-21
15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa. 16 Ary tsy tahaka ny avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana. 17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. 19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. 20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra, 21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Ny fanamarinana avy amin’Andriamanitra

1-Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

« …mainka ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ny fahasoavan’ny olona iray , dia Jesoa Kristy no tonga be ho an’ny maro kosa  » (and 15)

Tamin’ny alalan’i Adama no nidiran’ny ota tao amin’ny olombelona ka niteraka fahafatesana ,kanefa rehefa tonga i Jesoa Kristy , ilay fahasoavan’Andriamanitra ,dia nohamarinina maimaimpoana tamin’ny alalan’ny finoana Azy ny olombelona . Izany no antsoina hoe : « fahasoavana ». Hamarinina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika . Ary izany no mahatonga ny olombelona rehetra taomina hino an’i Jesoa Kristy , satria izay mino an’i Jesoa Kristy , Ilay fahamarinan’Andriamanitra ihany no handray fanamarinana avy Aminy .Ny olona mino an’i Jesoa Kristy no nohamarinina maimaimpoana . Koa minoa an’i Jesoa Kristy dia handray fanamarinana avy amin’Andriamanitra ianao.

2-Manana fiainana mandrakizay

« …hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika  » (and 21)

Rehefa nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny alalan’iJesoa Kristy ,araka ny fahasoavana nentiny ny olona dia manjaka ao anatiny ny fiainana mandrakizay .Tonga mpandova ny fiainana mandrkizay ilay olona mino . Koa na dia tsy mbola miaina izany amin’ny fahafenoana aza izy dia efa ao anatiny ny fiainana mandrakizay . Noho izany ,ny mpino kristiana izay efa nohamarinina tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia efa mpandova ny fiainana mandrakizay . Tsy ny ota izay mitarika ho amin’ny fahafatesana intsony no mibaiko ny fiainany fa ilay fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Ahoana ny fiainanao ny fanamarinan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM