Hitoetra ho mahatoky
Mofonaina anio: Talata, faha 14 Martsa 2023
HOSEA 2.10-22
HOSEA 2.10-22
10 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an*'i Bala,[Na: nataony ho] 11 Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany. 12 Ary ankehitriny hasehoko eo imason'ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'ny tanako. 13 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra. 14 Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia. 15 Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah. 16 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy. 17 Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany* toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.[Na: hihirany] 18 Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako*.[Balako = Tompoko] 19 Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo. 20 Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy; 21 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao; 22 Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.1-Hitoetra ho mahatoky (and10)
« tsy fantany fa Izaho no nanome azy …kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’i Bala izany » , hoy ny Tompo .Maneho ny alahelony sy ny fahasaro-piarony Andriamanitra eto . Hevero tsara kosa hoe : manao ahoana ny toe-pon’ny lehilahy iray raha toa ka mividy firavaka volamena sy manome izay vola na zavatra hafa ilain’ny vadiny izy, kanefa ireny kosa dia omen’ilay vehivavy ho an’ny lehilahy hafa izay namparafesany ny vadiny izany . Fo vato tahaka ny inona no tsy halahelo ? (and12-15) .Tahaka izany mihitsy Andriamanitra amintsika , izy no manome ny zava-tsoa rehetra , nefa lasa ny olona indray no manompo zavatra hafa , izay heveriny fa hahaozna tombony be ( bala = andriamanitra ny fahavokarana )
2-Hody saina ka hiverina Aminy
Ny mahavariana amin’Andriamanitra dia izao : azony natao ny nanapaka avy hatrany ny fanekeny satria Izy no ampirafesina kanefa mahagaga fa Izy indray no miroso manao ny dingana rehetra hahatsapan’ny vadiny (isika izany) ny fahadisoany ka hiverenany Aminy , sady nampanantena fa handray azy amin’ny indrafo . Fitiavana tsy manam-paharoa izany , ka moa dia hotsinotsinoavinao ve ? Moa misy olombelona mahay mitia amin’ny tahaka izany ve ?
Fanontaniana :
Toerana manao ahoana no hametrahanao an’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM