inona no lesoka hitanao fa tokony arenina na ho an’ny Mpitandrina na ho an’ny Diakona?
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Martsa 2023
1 TIMOTY 3.1-16
1 [Ny amin'ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona] Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina* dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, [* Gr. episkopo] 3 tsy mpimamo lian'ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan*'Andriamanitra?), [* Gr. eklesia] 6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly. 8 Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, 9 mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio. 10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny. 11 Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra. 12 Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany. 13 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana be amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 14 Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankat? aminao faingana aza aho; 15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana. [* Gr. eklesia] 16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin*'ny voninahitra. [* Na: ho any amin']Anankiray amin’ireo Epistily izay antsoina hoe: Epistily pastoraly nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ity teny ity .Toro-làlana no omeny mba hahazoan’i Timoty miatrika tsara ny fanompoany .Mitodika amin’ny tomponandraikitra rehetra ao amin’ny Fiangonana ny hafatra anio .
1-Ho an’ny Mpitandrina (and 1-7)
Ny asa tsara indrindra (and1) no efa nisafidianantsika .Misy toetra 14 lazain’i Paoly etoo fa tokony hananan’ny Mpitandrina ,ary matoa tanisain’ nyApostoly ireo dia tsy filam-boatsiary akory fa toetra tena azo ivelomana tsara ary ireo no maneho ny Voninahitr’Andriamanitra niantso .Raha bangoina amin’ny teny tokana ireo toetra rehetra ireo dia « mendrika » no mahalaza azy. Tsy midika akory anefa izany hoe : manjary tanteraka ka afaka amin’ny maha-olombelona mpanota ny Mpitandrina ,fa izao kosa : ny Mpitandrina no mpanome ohatra faka tahaka na amin’ny fiainana na amin’ny fiteny na amin’ny asa na amin’ny fahafoizana . Raha vao mijery ny Mpitandrina ny olona, dia resy lahatra avy hatrany ary te-hanolo-tena avy hatrany ho an’i Jesoa, satria mahita modely tsara .
2-Ho an’ny diakona (and8-10)
Misy mason-tsivana maromaro ihany koa voatanisa eo , ary misy aza iza itoizana amin’izay toetra tokony ananan’ny Mpitandrina , tsy afaka manilika araka izany ny Diakona ka hiteny hoe : satria aho mbola Diakona fa tsy Mpitandrina dia tsy maninona na dia mibirioka ihany aza amin’ny fotoana sasany na amin’ny fotoana rehetra akory aza .Tandremo !
Fanontaniana :
Tsy mitsara akory fa manatsara ka inona no lesoka hitanao fa tokony arenina na ho an’ny Mpitandrina na ho an’ny Diakona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM