Mpitondra tsy mahajoro amin’ny finoana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Martsa 2023

1 MPANJAKA 14.21-31

1 MPANJAKA 14.21-31
21 [Ny nanjakan-dRehoboama tamin'ny Joda] Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. 22 Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon'ny razany. 23 Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha* teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny] 24 Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy. 25 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema; 26 dia nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona 27 Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka 28 Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray. 29 Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 30 Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama. 31 Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.

1-Mpitondra tsy mahajoro amin’ny finoana

Ny dikan’ny anarana hoe: Rehoboama dia hoe : mitombo isa na nihamaro ny vahoaka . Zanak’i Solomona izy , nahita sy voataizantamin’ny fahendrena araka izany , zafn’i Davida ka azo heverina fa nahita fomba fitndrana sy ny fijoroan’i Davida ka azo heverina fa nahita ny fomba fitondrana sy ny fitondran’i Davida amin’ny fatokiana an’Andriamanitra , kanefa rehefa tonga mpanjaka dia nanara-davahana ny fanompoan-tsampin’ ny Amonita . Ny tantara eto dia mamerina indroa ny fitanisana ny anaran-drenin’i Rehoboama (iray amin’ire vadin’i Solomona), Nama izay midika hoe : « hatsara-tarehy « , saingy tsindriana tsara koa fa izy dia Amonita.

2- Fositra amin’ny fikorosoam-pahan’ny fanjakana

Noho ny tsy fijoroan-dRehoboama dia nandrorona ny fanjakana satria « nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Joda ka nampahasaropiaro Azy « (and22) , izany hoe: sady nanilika an’Andriamanitra no mbola nanolo-tena sy mankasitraka ny anompoan-tsampy koa. Vokatry ny tsy fananan’ny mpitondra hazon-damosina dia very