Mazava ny fampianarana tian’i Jesoa ampitaina amin’ny alalan’izao fanoharana izao.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Martsa 2023

LIOKA 16.14-31

LIOKA 16.14-31
14 Ary ny Fariseo, izay fatra-pitia vola, raha nandre izany rehetra izay, dia naneso an'i Jesosy. 15 Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra. 16 Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. 17 Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna. 18 Izay rehetra misao-bady ka mampakatra ny hafa dia mijangajanga; ary izay mampakatra vehivavy voasaotra dia mijangajanga koa. 19 Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana. 20 Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny; 21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy* ka nilelaka ny feriny.[*Na: ary ny alika koa dia avy] 22 Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; 23 ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] 24 Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity. 25 Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana. 26 Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala et?, ary ny ho afa-mita hanket? aminay izay eny. 27 Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko 28 (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy. 29 Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. 30 Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy. 31 Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.

Mazava ny fampianarana tian’i Jesoa ampitaina amin’ny alalan’izao fanoharana izao.

1-Mahavery ny fitiavam-bola (and15)

« Hianareo no mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ,nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo … », hoy i Jesoa raha namaly ny esoeso nataon’ny Fariseo mpitia vola azy . Raha vao latsaka amin’ny fitiavam-bola ny olona dia tsy mahay manompo an’Andriamanitra izy ,tsy omeny anjara toerana eo amin’ny fiainany intsony ny Tompo ary raha mbola mahazo aza dia anjorom-bala sisa . Fantatr’i Jesoa tsara izany ka nahatonga Azy niteny hoe : « tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo » (and13b)

2-Hanenenana ny fitiavan-tena (and 25)

Ary hoy i Abrahama : « Anaka ,tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao … » .Ao anatin’ity fanoharaha ity dia nivoitra ihany koa fa ny tsy fiheverana ny hafa ,na dia hita eo ambany mason’ny tena aza ny fahoriany dia hanenenana . Andeha hiainantsika fotsiny izao ny fampianaran’ny Soratra masina izay nohamafisin’i Jesoa hoe : « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (Lev 19.18)

3-Ampy ny Tenin’Andriamanitra (and31)

Aoa anatin’ny fanoharana dia mazava fa rehefa ny Tenin’Andriamanitra efa nomeny ( lalàna sy mpaminany ) no tsy hinoan’ny olona dia tsy hino koa izy na dia hisy hitsangana amin’ny maty aza . Tsy mila miandry fahitana na fahagagana vao hino fa ny Tenin’Andriamanitra dia ampy hitondra famonjena .Minoa ny teny voasoratra ary minoa ny teny tonga nofo dia i Jesoa Kristy (Asa 16.31)

Fanontaniana :

Ahoana no hahazoana milaza fa tena mandeha araka izao fampanaran’iJesoa Izao ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM