Ny mpitondra mandeha amin’ny fahamarinana dia
Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Martsa 2023
2 MPANJAKA 20.1-7
2 MPANJAKA 20.1-7
1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona. 2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe: 3 Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy. 4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna* afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: [Na: kianja] 5 Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao. 6 Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko. 7 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.Ny mpitondra mandeha amin’ny fahamarinana dia
1-Mihaino an’Andriamanitra hatrany (and 2)
Voantantara eto fa narary mafy saiky maty i Hezekia , ary tonga tao aminy Isaia mpaminany , nitondra ny hafatr’Andriamanitra . Miharihary eto fa tsy zava-maivana amin’i Hezekia mpanjaka mihitsy ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra . Ny misongadina eto dia izao : ny handre izay tian’Andriamanitra ambara aminy aloha no laharam-pahamehana ho azy izay vao zavatra hafa .Tsy ny asa sosialy no mamaritra ny atao hoe : mandeha amin’ny fahamarinana , fa fanekena hihaino an’Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra .
2-Henoin’Andriamanitra vavaka (and 5)
Tsy lavitra akory i Isaia dia efa namaly ny vavaka’ i Hezekia ny Tompo .Hoy ny filazany hoe : « efa nohenoiko ny fitarainanao , ary efa hitako ny ranomasonao , indro hahasitrana anao Aho… »Azo tsoahana avy amin’izany fa tsy mba manetsi-tadiny amin’ny mpanompony marina Andriamanitra fa sady mahita no mandre izay mampahory sy manavesatra azy .Izay mivavaka amin’ny fo sy amin’ny fahamarinana dia valian’Andriamanitra .Tsarovy fa tsy very maina akory ny vavaka ataontsika .Misongadina eto mihitsy fa raha mivavaka marina ny mpitondra ny firenena dia tsy ny tenany ihany no voavonjy fa ny firenena manontolo mihitsy no zary misitraka ny famonjena sy ny fanavotan’Andriamanitra (and 6,7) .Taomina àry izay rehetra manana andraikitra mba hivavaka marina .
Fanontaniana:
Ahoana no fiainanao izany hoe : mandeha amin’ny fahamarinana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM