Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Febroary 2023
HEBREO 4.12-13
HEBREO 4.12-13
12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. 13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra
1-Velona
Toa an’Andriamanitra ihany ny teniny.Manankery amin’ny sehatra sy izay rehetra hitenenany .Efa hatrany am-piandohan’izao tontolo izao no nanehoan’Andriamanitra izany . Raha niteny Izy hoe : « MISIA » dia nisy izany (Gen 1.3) . Ny fahaveloman’ny Teniny no mampiavaka Azy . Koa raha te-hanana fahavelomana ao Aminy isika dia tsy maintsy mivelona amin’ny Teniny . « Raha miray amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko , dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany » (Jao 15.7)
2-Mahery
Misy hery entin’ny Tenin’Andriamanitra àry izany dia entiny hahazoantsika ilay tena fiainana marina tokoa .Ary raha ny and 13 àry no jerena dia mamotika ny ratsy ao anatin’ny olona ny teny ary manorina fiainam-baovao , rehefa mandray ny Tenin’Andriamanitra isika , ny zavatra hitantsika sy tsapantsika voalohany dia ny maha-mpanota antsika , ary tsy izany ihany fa mitari-dàlana antsika ho amin’ny fahatsarana izany .
Fanontaniana :
Inona no zavatra tsapanao rehefa mandray ny Tenin’ny Tompo ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM