« ary raiso ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy  » (and17)

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Febroary 2023

EFESIANA 6.10-20

EFESIANA 6.10-20
10 [Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. 11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. 12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. 14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara 20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]

« ary raiso ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy «  (and17)

1-Raiso ny Tenin’Andriamanitra

Raha ny teny fototra no jerena , ny hoe : RAISO eto dia toy ny olona mandray zavatra natolotra azy ary izany indrindra no hevitry ny Soratra masina eto : avy amin’Andriamanitra , natolony ho antsika ny teniny . Izy no manam-pahefana hanolotra izany ho antsika , satria mila mampiasa izany isika eo amin’ny fiainantsika .Tsy misy na inona na inona hahazoantsika misedra izao tontolo izao afa-tsy ny Tenin’Andriamanitra . Ny mandray amin’izany dia vonona hampiasa izay noraisiny .Tonga fitaovana eny am-pelatànantsika ny Teny .

2-Raiso ho sabatry ny fanahy

Ny sabatra dia fitaovana entina miady sy hanoherana fahavalo . Amin’izany ny tanjona dia ny haharesy tosika ny fahavalo .Fitaovana mahomby tokoa ny sabatra tamin’izany fotoana izany .Tsy avelan’Andriamanitra hiady irery isika fa tolorany fitaovana mahomby sy azo antoka hanoherantsika ilay ratsy mitady hambabo antsika . Ny Tenin’Andriamanitra no atolony ho antsika . Ny Tenin’Andriamanitra no atolony ho antsika .Raha te-hahita fahombiazana isika da tsy maintsy mandray izany . « Fa velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela » (Heb 4.12)

Fanontaniana :

Milazà fomba fandraisana ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM