Fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Febroary 2023
EKSODOSY 20.18-26
EKSODOSY 20.18-26
18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. 19 Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. 20 Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. 21 Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra. 22 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. 23 Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko. 24 Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao. 25 Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy. 26 Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.Fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
1-Mitondra ho amin’ny fahatahorana Azy (and19-20)
Niteraka tahotra teo amin’ny Zanak’Israely ny fanehoany an’Andriamanitra niteny , ary tahotry ny ho faty araka ny nambarany tamin’i Mosesy (and19). Ny faharatsian’ny olona sy ny loto ao am-pony no mahatonga ny olona hatahotra an’Andriamanitra , satria tsy misy mahatajanona eo Aminy noho ny fahotana ny olona . Mariky ny fahendrena ihany koa anefa izany, satria inona moa izay olona tsy mana-tahotra ? « Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena, fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankato izany « (Sal 111.10)
2-Mitaona hiala amin’ny faharatsiana (and 23-24)
Ambaran’Andriamanitra fa ampy ho an’ny olona Izy eo amin’ny fiainana .Izay mivavaka Aminy dia efa ny fiainana manontolo no ahiany . Ary izany fitantanany izany dia sady tsy miova no maharitra araka ny teniny hoe : « Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho … Izaho no nanao , ka izaho ihany no hitrotro , eny Izaho no hitondra sy hanafaka » (Isa 46.4) . Asain’Andriamanitra miala amin’ny andriamanitra volamena sy volafotsy ny olona eto , satria efa ampy ho azy Andriamanitra . Hoy ny hira iray hoe : Ampy ahy i Jesoa !
Fanontaniana :
Oviana no teraka tao aminao ny fahatahorana an’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM