Ny Tenin’olombelona manome fandresena ny zava-manjo fa ny Tenin’ny Tompo kosa mandresy azy (and38b) » Mpampianatra o, tsy mampaninona anao va izao hahafatesanay toy izao ? »
Mofonaina anio: Talata, faha 14 Febroary 2023
MARKA 4.35-41
MARKA 4.35-41
35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. 36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. 38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? 41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?Ny Tenin’olombelona manome fandresena ny zava-manjo fa ny Tenin’ny Tompo kosa mandresy azy (and38b) » Mpampianatra o, tsy mampaninona anao va izao hahafatesanay toy izao ? »
Hitantsika eto fa olona ao anatin’ny fahaverezan-toky no miteny toy izany .Efa misaina ny ho faty izy ireo fa ny ataon’ny Tompo sisa no andrasany . Efa feno ny fepetra izay hainy momba ny ranomasina ka tokony hahalefika azy . Tsy tokony hohadinoina mantsy fa mahafehy tsara ny ranomasina izy ireo .Milavo lefona izy eto fa tsy misy hevitra intsony . Indro anefa fa mbola ao ny Tenin’i Jesoa izay mandresy ny zava-manjo .Hoy mantsy i Jesoa : »mangina,mitsahara, ary dia nitsahatra ny rivotra « .Raha nibitaka ny loza sy ny manjo raha naharesy azy ireo very toky , ny Tenin’i Jesoa kosa nandresy izany . Manana fahefana ny Tenin’Andriamanitra , satria ny olombelona rehefa tapi-dàlan-kaleha toy izao dia efa nihoatra ny zavatra hainy izay , kanefa efa eo amin’ny tsy hain’olombelona intsony vao miseho ny herin’Andriamanitra ao amin’ny teniny izay tsy hay tohaina .Hoy i Jesoa : « izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra « .Amin’izao fotoana izao dia mety efa tapi-dàlan-kaleha ianao ka indro fa very toky sy fanantenana ? Olombelona ihany ianao ka misaina izany fa ny Tenin’Andriamanitra kosa mbola afaka mitaona anao handresy satria misy fahefana ny Teniny .
Fanontaniana :
Mbola mino ihany ve ianao fa mbola afaka ny ho tsara noho izao ny fiainanao na dia tena zava-doza aza ny hamafiny ankehitriny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM