I JesoaKristy Ilay Teny tonga nofo no

Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Febroary 2023

HEBREO 1.1-4

HEBREO 1.1-4
1 [Fampitahana an'i Kristy sy ny anjely] Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, 3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo 4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.

I JesoaKristy Ilay Teny tonga nofo no

ivon’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona

« dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny zanany » ,izany hoe : ambaran’ity mpanoratra ny bokin’ny Hebreo ity fa tamin’ny taloha dia ireo Mpaminany no nitenenan’Andriamanitra fa amin’izao kosa dia JESOA . Raha te-hamantatra ny hevitra na ny Tenin’Andriamanitra ny olona dia ao amin’i Jesoa Kristy no hahafantarany izany . Iray ihany tsinona ny Ray sy ny Zanaka .Koa izany no ilazana fa ao amin’i Jesoa Kristy no misy ny hevitr’Andriamanitra Ray ho an’izao tontolo izao , indrindra fa ho antsika zanany . Hoy ny 1 Timoty 2.5  » fa iray no Andriamanitra ary iray no mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona dia Kristy Jesoa izay olona … ». I Jesoa no IVO eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra Ray . Betsaka amin’ny olona amin’izao tontolo izao , eny na dia kristiana samy hafa finoana no diso finoana ka mandray ny olona voafidin’Andriamanitra . Eny fa na dia isika koa aza dia mbola mety voafitaka ? Mila mitandrina isika !

Fanontaniana :

Efa saika voatariky ny toy izany ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM