Finiavan’Andriamanitra ny mametraka ny teniny

Mofonaina anio: Talata, faha 07 Febroary 2023

JEREMIA 31.31-34

JEREMIA 31.31-34
31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, 32 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny*,hoy Jehovah.[Na: tompony] 33 Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. 34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Finiavan’Andriamanitra ny mametraka ny teniny

ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona (and33b)

« dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony «  . Jehovah Andriamanitra eto no manao ny asa ary ny asa ataony dia ny mametraka ny lalàny ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olony dia ny Israely nofidiny izany .Ny zava-nisy teo aloha mantsy dia izao : nifanao fanekena Jehovah Andriamanitra sy ny vahoaka taranak’i Abrahama fa Izy ho Andriamaniny ary ny vahoaka kosa ho olony .Ny zava-nisy anefa dia nanaiky izy ireo raha manao fanekena eo imaso fa rehefa tonga ny hanatanterahany izany amin’ny fiainana andavanandro dia mivadika izy ireo , satria tsy mahazaka fiainana .Tiany tsy hisy olana sy ho tanteraka avokoa ny fiainany ara-nofo izay miantoka ny fahavelomany dia adinony ilay fanekena .

Mety hitsara be fahatany ireo vahoaka ireo angamba isika , saingy aoka ho fantantsika fa raha manao ho zava-dehibe ny zavatry ny nofo isika dia efa mitovy amin’izy ireo ihany . Soa fa teo ilay fanekena vaovao tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy nandatsaka ny Rany , ka Izy Andriamanitra mihitsy no manao ny lalàna sy ny didiny ho ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olona . Hoy ny teny ao amin’ny Ezekiela 11.19-20 « dia homeko fo iray izy ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo , ary hesoriko amin’ny nofony ny fo vato ,ka omeko fo nofo izy… » .Ny maha-kristiana antsika sy ny maha-Andriamanitra antsika dia asan’Andriamanitra fa tsy asantsika olombelona ka hoe : mety ho safidintsika .

Fanontaniana :

Moa mba efa nosaininao ve fa raha mitandrina ny didiny ianao dia niasa taminao Izy fa tsy ny fiezahanao loatra akory ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM