Ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Febroary 2023
JAONA 17.9-19
JAONA 17.9-19
9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. 10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. 11 Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] 16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.Ny Tenin’Andriamanitra
1-Mirakitra fifaliana tanteraka
Vavaka nataon’iJesoa ity ho an’ny mpianany mba hananan’ny mpianany fifaliana ary izany fifaliana izany dia tsy mba toy ny eo amin’izao tontolo izao izay tsy maharitra sy tsy tanteraka fa tena feno sy tanteraka tokoa .Izany dia tenin’i Jesoa fony Izy teto amin’izao tontolo izao mba hananantsika fiainana sy fifaliana ; noho izany dia tokony hanana fifaliana tokoa isika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra .Fa raha tsy mahatsapa izany isika dia mila mandini-tena fa sao tsy mitoetra ao Aminy araka ny voalaza hoe: « tomoera amin’ny fitiavako ianareo …ka ho tanteraka ny fifalianareo » (Jao 15.10-11) .Tena azo antoka izany fifaliana feno sy tanteraka izany . Koa meteza hisitraka izany ianao sy ny ankohonanao .
2-Refin’ny fahamarinan’ny olona (and17)
Izao tontolo izao dia manana izay heveriny ho marina ary misy karazany maro tokoa izy ireny .Miovaova araka izany izany ka arakaraka ny toerana sy ny toe-javatra misy sy mitranga .Amin’ny kristiana anefa ny mahamarina antsika dia ny fitandremantsika ny Tenin’Andriamanitra ary tokony hiezaka amin’ny fahamasinana amin’ny alalan’ny Teniny isika mba ho kristiana tena izy , tsy misy fangarony . Fa hoy i Jesoa hoe : « Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana » ka mazava fa Izy tokoa no marina ka Izy Ilay ho tonga mpitsara antsika . Jesoa ,Ilay Marina ary ny fitandremana ny didiny irery ihany no làlana .Koa aza mihevitra zavatra hafa intsony ianao hanamarinan-tena afa-tsy ny Teniny ihany
Fanontaniana :
Raha hotsaraina àry isika ,moa efa mba manana antoka ve ianao amin’ny fahamarinanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM