Maharitra mandrakizay ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Febroary 2023

ZAKARIA 1.1-6

ZAKARIA 1.1-6
1 [Fitarihan-teny] Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe: 2 Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah. 3 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 4 Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah. 5 Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny? 6 Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.

Maharitra mandrakizay ny Tenin’Andriamanitra

Ny iantefan’ny Tenin’Andriamanitra eto dia ny Israely,momba ny razamben’izy ireo izay nilazana nyTeniny kanefa noheverin’izy ireo fa tsy ho tanteraka , nataony horediredin’ny mpaminany fotsiny ka n notsinitsiaviny tanteraka. . Asehon’i Jehovah Andriamanitra àry fa ny Teniny ihany no mbola mitoetra tamin’ireo telo nisy tamin’izany dia ny Teniny, ny Mpaminaniny ary ny vahoakany maditra . Vokany : maty ringana noho ny fahotany ny vahoakany, ny Mpaminany koa dia maty, fa iza sisa no mitoetra ? Ny Teniny ihany no mitoetra mandrakizay .

Tsy hoe : marina tamin’ny andron’iZakaria ihany ny Tenin’Andriamanitra fa mbola marina amin’izao androntsika izao ary mbola ho marina amin’ny andron’ny taranantsika maro any aoriana any . Maro no mihevitra fa tsy misy antony hanaovana ho zava-dehibe ny miala amin’ny faharatsiana noho ny Tenin’Andriamanitra satria tsapany fa tsy eo no eo ny fahatanterahany fa mbola afaka fotoana maharitra . Koa amin’izany dia ataony ihany ny ratsy ataony. Mety hino ihany izy raha eo no ho eo dia tanteraka izany. Misy tenin’iJesoa manao hoe :  » ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona  » Lioka 21.33, izany hoe: na dia ho avy aza ny farandro sy ny fambara rehetra momba azy, ny Tenin’Andriamanitra mitoetra foana ho marina ary tsy maintsy ho tanteraka izay lazainy . Noho izany , toky ho antsika zay manao ny marina izany fa loza mitatao kosa ho an’ny ratsy fanahy .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fihetsehamponao raha misy tenin’Andriamanitra voarainao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM