Ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Febroary 2023
OHABOLANA 7.1-5
OHABOLANA 7.1-5
1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko. 2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko. 3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy. 4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao; 5 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo*, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]Ny Tenin’Andriamanitra
1-Antoky ny fahaveloman’ny olony (and2)
Izay mitandrina ny didiny dia velona mandrakizay satria hahazo fiainana mandrakizay ary izany dia santarina dieny ety an-tany .Hoy ny Tompo ao amin’ny Lioka 10.28 : » Ataovy izany dia ho velona ianao » mantsy lay mpanao lalàna tonga naka fanahy Azy . Ny fanahy no olona . Ny maha-olona ny olona dia ny fanahy ary io anefa dia maty raha tsy ao ny Tenin’Andriamanitra izay mahavelona azy . Koa izany no ilazana fa antoky ny fahaveloman’ny olona ny Tenin’Andriamanitra.
2-Tsara raha atao talaky maso ho mora tadidy (and3)
Asain’ny Ohabolana atao amin’ny rantsan-tànana sy soratana ao am-po ny Soratra masina . Izany hoe: atao amin’ny toerana jeren’ny maso matetika ,ka amin’izay dia ho tadidy tsara tsy miala ao an-tsaina mihitsy ary voarakitra ao am-po kokoa. Koa mba tsy hiala ao an-tsaina toy ny haingo-trano , amin’ny famantaranandro ,amin’ny akanjo ary raketo ao am-po avy eo.
3-Fiarovana amin’ny olon-doza (and5)
Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra dia miaro amin’ny vehivavy jejo na janga . Mody manao teny mandrobo izy miaraka amin’ny bikany sy ny endriny kanefa hamotika ny lehilahy sy ny ankohonany no tanjony . »Aza mijangajanga » (Eks 20.14) dia voaaro amin’ireny , kanefa tsy ny vehivavy janga ihany fa misy ny lehilahy janga ihany koa .Tandremo àry .
Fanontaniana :
Firy ny Tenin’Andriamanitra efa hainao tsianjery ny toko sy andininy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM