Ny fanavaozan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Janoary 2023

ISAIA 65.17-21

ISAIA 65.17-21
17 Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. 18 Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. 19 Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina. 20 Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina*.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona] 21 Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.

Ny fanavaozan’Andriamanitra

1-Mitaona ny olona hifaly

Tontolo roa tsy afa-misaraka ,mahalavorary ny fiainana ny lanitra sy ny tany . Ny fahotana anefa no nitondra ny fahafatesana teto amin’izao tontolo iainantsika ankehitriny izao . Indro Andriamanitra manome toky sy mamelona fanantenana indray fa « mahary lanitra vaovao sy tany vaovao » Izy . Tontolo vaovao izay anjakan’ny fifaliana sy fiadanana ary fandriampahalemana mandrakizay no atolony , satria Andriamanitra no manjaka ao .Izany fampanantenan’Andriamanitra mpahary izany indrindra no mitaona ny olona hifaly satria fantatra sy hita fa tsy sanatria fampanantenana poakaty tsy akory .

2-Fanambinana ho an’izao tontolo izao

Andro maro sy taona ela iainana no fanambinana ambaran’ny Soratra masina eto .Iza tokoa moa no tsy maniry izany ? Fanampin’izany dia eo ihany koa ny fahavokarana. Ary araka ny voalaza eto « …ny mponina aza dia hahatratra zato taona vao hozonina« . Fampanantenana miantefa mivantana tamin’ny firenen’Israely avy any am-pahababoana moa izao teny izao ,ka dia hitantsika eto ny firesahana ny amin’ny mbola hisian’ny fahafatesana satria na fiainana feno fanambinana tokoa aza izany , dia mbola voafetra ihany .Tsarovy àry ry havana fa na feno fitahiana sy fanambinana tokoa aza ny fiainanao amin’izao ankehitriny izao ,dia manam-pahataperana izany fa ny ao amin’ilay toerana efa namboarin’i Jesoa no mandrakizay .

Fanontaniana :

Inona no ataonao hoe: fifaliana tena izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM