Araraoty ny fotoana hihaonana amin’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Janoary 2023

LIOKA 17.11-19

LIOKA 17.11-19
11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an'i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan'i] 12 Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny. 13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay. 14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana. 15 Ary ny anankiray tamin'ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery 16 sady niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny. 17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? 18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va? 19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.

Araraoty ny fotoana hihaonana amin’i Jesoa Kristy

1-Hisitrahana ny famindrampony

Rehefa nifanena tamin’i Jesoa Kristy ireo boka folo lahy izay mandehandeha sy miaina eny ivelan’ny fiaraha-monina satria maloto sy tsy mendrika dia tsy misy nataony afa-tsy ny nitalaho ny mba hanana anjara amin’ny famindrampon’i Kristy .Ho anao koa , aza lany andro miampanga ny hafa na manamari-tena na miampanga tena akory aza eo anatrehan’Andriamanitra,fa angataho ny famindrampony fa izay rahateo no sitrany (Hos 6.6) .

2-Ankatoavana ny Teniny

Nisy toromarika mazava nolazain’i Jesoa tami’ireo olona boka ireo .Nankatoaviny avy hatrany izany na dia tsy takatra hohazavain’ny fisainana sy ny siansa na ny lojika akory aza .Satria i Jesoa no tian’izy ireo hatonina,ny famindrampony no nangatahiny ,kanefa dia nasainy nandeha niseho any amin’ny mpisorona indray izy ireo .Ny zava-dehibe rehefa mihaona amin’ i Jesoa dia tsy izay fanazavana sy fahalalantsika fa ny fankatoavana izay lazainy .

3-Andraisana ny famonjeny

Rehefa samy nankato ny tenin’i Jesoa Kristy izy folo lahy ka nadeha dia nadio tamin’ny habokany avokoa.Teo anatrehan’izany vahaolana mahagaga nomen’i Jesoa izan anefa dia hita teto fa ny tahan’ny fikatsahan’ny olona ny tena famonjena dia iray ampahafolony monja . Ny mahamay ny ankamaroan’ny olona dia ny hivahan’ny olany fotsiny ,hany ka hadinony fa tsy ny habokana no tena olana fa ny fahaverezana mandrakizay ,ka ilana ny famonjen’i Kristy .

Fanontaniana:

Isaky ny inona ianao no mihaona amin’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM