Fidio izay inoana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Janoary 2023
ISAIA 46.3-7
ISAIA 46.3-7
3 Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. 5 Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? 6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.Fidio izay inoana
1-Andriamanitra mpahary mitondra ny olony
Mitodika amin’ny vahoakany Andriamanitra ka mitarika azy ireo hahatsiaro fa Izy no nampijoro ny firenena masina ho Azy. Izy no misahirana mitondra sy nanafaka azy ireo tao anatin’ireo toe-javatra maro izay nampahory azy ,ka tsy nahitany izay hiantsampazana intsony .Anisan’ny fitondran’Andriamanitra rahateo ny fibedesana mifono famaizana ho an’izay minia mahafoy Azy ka mandeha manompo andriamanin-kafa.Hita moa izany fitondran’Andriamanitra ny olony izany ,rehefa mandinika ny tantaran’ny zanak’Israely isika.Mahasaro-piaro Azy ny olony ka na faiziny aza rehefa maditra dia avelany heloka indray rehefa mibebaka ary ataony mitondra faisana izay nampahory ny vahoakany .Tsy miova Aho , hoy Izy amintsika anio.
2-Sa andriamanitra amboarina entin’ny olony ?
Etsy andanin’izany , ny olombelona izay voafatotry ny hitany sy ny tsapany dia mora miantsampy amin ‘izay saritsarin’ andriamanitra samihafa ,izay lasa enta-mavesatra ho azy indray.Sary mitomoemoe-poana anefa ireny fa tsy afaka velively hamaly ny hetaheta sy fangatahan’ireo izay manatona azy . I Jesoa Kristy aza moa dia miantso ireny olona vesaran’ny finoana ireny .Ambarany fa vonona Izy ny hanome fitsaharana ho an’ izay rehetra manatona Azy. Ary na dia misy zioga sy entana entina aza amin’ny fanarahana an’i Jesoa dia sady mora no maivana izany (Mat 11.28-30).
Fanontaniana :
Izay inoana no tompoina : koa raha Andriamanitra mitondra ny olony no inoanao , dia inona kosa no fanompoana andrasana aminao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM