Fantaro ny teny sy asan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Janoary 2023
JAONA 10.20-26
JAONA 10.20-26
20 Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo? 21 Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba? 22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. 23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona. 24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. 26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko.Fantaro ny teny sy asan’Andriamanitra
1-Izy no mampahiratra ny jamba
Anisan’ny mampiavaka ny Filazantsara araka ny Jaona ny fampiasan’i Jesoa ny teny hoe: « Izaho no ».Ny fito amin’izany diia ilazan’i Jesoa Kristy ny tenany .Ny toko faha-10 dia ilazany fa Izy no mpiandry tsara ,ary izany Teniny izany no nahatonga ny olona sasany izay nihaino hanasoketa Azy hoe : « manana demonia Izy ».Mazava anefa fa ny filazan’i Jesoa Kristy ny tenany mivantana tahaka izany ,satria mikendry indrindra ny hampahiratana an’izao tontolo izao ho afaka amin’ny fahajamban’ny finoana an’i Jesoa ,Ilay « Teny tonga nofo ka nonina tamintsika ». Tsy tenin’olombelona tsotra fotsiny izao Tenin’i Jesoa izao ,fa nanamarina ny maha-Andriamanitra Azy , satria Andriamanitra irery ihany no « mpiandry ny olony« . I Jesoa Kristy no manafaka antsika amin’ny fahamaizinana ho amin’ny fahazavana .
2-Ny devoly kosa manajamba ny mahiratra
Ny fisalasalana no fitaovam-piadiana eo an-tànan’ny devoly ,hitarihany ny olona ho amin’ny fahajambana.Nisy tamin’ireo Jiosy izay nohaino an’i Jesoa Kristy no voasarika tamin’izany ka lazain’izy ireo fa i Jesoa indray no mampisalasala azy ireo : »ambara-paoviana no hampisalasalanao anay? » Vokatr’izany dia voalaza eto fa na dia teo aza ny fampahiratan’i Jesoa Kristy azy ireo tamin’ny alalan’ny asa nataony tamin’ny Anaran’Andriamanitra Ray manambara ny maha-Kristy Azy dia tsy hino izy ireo fa tonga maizin-tsaina .
Fanontaniana :
Ankoatra ny fisalasalana , inona avy koa no paikady ampiasain’ny devoly hanajambana ny olona ankehitriny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM