Ny olona mahatsiaro ny faharian’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Janoary 2023

Salamo 95.1-11

Salamo 95.1-11
1 [Fiantsoana hivavaka amin'Andriamanitra sy hankatò ny teniny] Avia, aoka isika hihoby ho an'i Jehovah; Aoka isika hanao feo fifaliana ho an'ny Vatolampy famonjena antsika. 2 Aoka hankeo anatrehany amin'ny fiderana isika; Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin'ny fihirana isika. 3 Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra Izy. 4 Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany; Ary Azy ny tendrombohitra avo. 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy, Ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany. 6 Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika; Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika; 7 Fa Izy no Andriamanitsika; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika. Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: 8 Aza* manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin'ny andro tao Masa fony tany an-efitra,[Na: Anio raha hihaino ny feony ianareo, dia aza] 9 Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako. 10 Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin'izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin'ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako; 11 Ka dia nianiana tamin'ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy.

Ny olona mahatsiaro ny faharian’Andriamanitra

1- Midera sy mihoby Azy

Ny fiderana dia tena fiainan’ny ol