Ny fisehoan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Janoary 2023
APOKALYPSY 15.1-4
APOKALYPSY 15.1-4
1 [Ny amin'ny lovia fito nisy ny loza fito, izay nentin'ny anjely fito ka naidiny tamin'ny tany] Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra. 2 Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron*'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra. [* Na: tao amin] 3 Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. 4 Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.Ny fisehoan’Andriamanitra
1-Faharavana sy loza ho an’izay resy
Araka izao fahitana ambaran’ny mpanoratra ny Apokalypsy izao dia efa misy loza tena lehibe sady mahatsiravina entin’Andriamanitra maneho ny fahatezerany .Raha milaza ny hoe: « loza fito » mantsy ny Soratra masina eto dia tsy manondro isa izany ka ilazana hoe : tsy ampahafirin’ny « loza folo » tamin’ny andron’i Farao izany , fa isa fito milaza fahafenoana tanteraka .Tsy ny rehetra kosa anefa no hiharan’izany ,fa izay rehetra manamafy ny fony ka tsy mety mankato ny Tenin’Andriamanitra tahaka ireo Egyptiana hitantsika ao amin’ny Eksodosy 7.11.Tsy fampitahorana fotsiny araka izany izao teny izao fa fampandinihan-tena antsika mba tsy ho isan’izay hanaiky ho resin’ny satana ,satria loza no miandry izay toy izany .
2-Fiderana sy fihobiana ho an’izay maharesy
Hita ka ambara eto koa ny amin’ireo rehetra izay naharesy an’i satana ka manana anjara toerana ao amin’ny famirapiratan’ny voninahitr’ Andriamanitra : « Teo amoron’ny ranomasina fitaratra , nitana ny lokangan’Andriamanitra » Ary ny ataon’izy ireo eo amin’izany toeram-boninahitra misy azy ireo izany dia « mihira ny fihiran’i Mosesy , mpanompon’Andriamanitra sy ny fihiran’ny zanakondry ».Ry havana ,izay rehetra naterak’Andriamanitra no maharesy izao tontolo izao , ary ho anao izay manaiky fa zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia iaino dieny izao ny fiderana Azy.
Fanontaniana :
Misy fetrany sy fotoana voatokana ve ny fiderana an’Andriamanitra ? Hazavao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM