Ny olona ao amin’i Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 17 Janoary 2023

2 KORINTIANA 5.11-21

2 KORINTIANA 5.11-21
11 Koa amin'izany, satria fantatsika ny fahatahorana ny Tompo, dia ny olona no ampanekenay, fa amin'Andriamanitra, kosa dia efa voaseho rahateo izahay, ary manantena aho fa voaseho ao amin'ny fieritreretanareo koa. 12 Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin'ny miseho* ihany, fa tsy amin'ny fo.[*Gr. tava] 13 Fa raha very saina izahay, dia ho an'Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. 14 Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; 15 ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. 17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao : Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. 20 Koa dia iraka* solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo.[*Gr. ambasadôra] 21 Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.

Ny olona ao amin’i Kristy

1-Olom-baovao

Tsy ny fihavaozana vokatry ny ezaka ataon’ny olona no mahatonga azy ho olom-baovao. Ary tsy endrika ivelany fotsiny ny fahariam-baovao ataon’Andriamanitra fa asam-pitiavana ho famitranam-pihavanana no ataon’Andriamanitra ka mahakasika ny maha-olombelona manontolo .Ny fihavanan’ny amin’Andriamanitra araka izany no fitohizana lojikan’ny fahariana tao Edena izay niafara tamin’ny fahalavoana sy fahafatesana .Andriamanitra no mametraka indray ny olona ao amin’i Kristy ho amin’ny toeram-boninahitra : « Malala eo imasoko » , satria tsy zava-poana izany hoe : olona nanolorana ny aina izany .

2-Velona ho an’Andriamanitra

Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy no miantoka ny fahavelomantsika .Tsy amin’izao fiainana eto an-tany izao ihany anefa fa fahavelomana ao amin’ny fiainana mandrakizay. Ny fahatsiarovantsika mandrakariva ny Soratra Masina hoe : « Maty ny anankiray hamonjy ny olona rehetra « dia mitaona antsika ho velona eritreritra mba tsy ho tia tena na hanao zinona ny fitiavan’Andriamanitra . Araka izany , atokano tanteraka ho an’Andriamanitra ny fiainanao manontolo satria raha tsy maty i Kristy dia tsy nanam-piainana ianao .Efa nanao ny dingana rehetra hisian’ny fihavanana indray eo amin’ny olona sy eo Aminy Izy Andriamanitra ,ka izany fanolorantena feno izany no ilainy amintsika .

Fanontaniana :

Mpahary fihavanana Andriamanitra ,fa mba ahoana isika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM