Andriamanitra no Tompo sy Mpahary antsika
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Janoary 2023
ROMANA 9.19-26
ROMANA 9.19-26
19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, 25 araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25); 26 Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).Andriamanitra no Tompo sy Mpahary antsika
1-Afaka mamonjy izay tiany hovonjena Izy (and 19-21)
Nambaran’i Paoly fa tsy miankina amin’ny naha-Jiosy na tsia no hamonjena ny olona,fa na ny Jiosy aza rehefa tsy mino an’i Jesoa Kristy dia tsy ho voavonjy . Ary na Jentilisa aza dia voavonjy rehefa mino. Oharin’ iPaoly amin’ny tanimanga tsy afa-manda izay tian’ny mpanefy vilany tany hatao aminy ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra (and 21). Ny tanimanga aza ,hoy izy, izay tsy noforonin’ny mpanefy vilany tany akory tsy afaka manda izay tiana hatao aminy akory ,mainka fa ny olombelona izay sady noforoniny no fananany ? Mahazo manao izay tiany hatao amin’ny olombelona rehetra Andriamanitra . Azony ampiasaina amin’izay tiany hitondrana azy ny olombelona rehetra ,na ny Jiosy na Jentilisa .Ary tsy misy afaka hitsara sy hanome tsiny Azy amin’izany .
2- Afaka mifidy izay tiany hifidina Izy (and22-26)
Izay kendren’Andriamanitra indrindra dia ny hampahafantatra ny haren’ny voninahiny amin’izay « fanaky ny famindrampo »(and 23). Ny « haren’ny voninahiny » dia ilazana ny olona izay namboariny ka nataony vonona handray ny fitahiana avy aminy . Ny fahafahan’Andriamanitra hifidy izay tiany hofidina dia miseho amin’ny fiantsoany ny Israely vaovao , dia ny fiangonana kristiana « tsy ny avy amin’ny Jiosy ihany, fa ny avy amin’ny Jentilisa koa »(and24). Ary na dia izay efa tafasaraka tamin’Andriamanitra noho ny faharatsiany aza dia azony raisina rehefa mibebaka (and25-26). Isaorana anie Andriamanitra izay nanome an’i Jesoa Kristy ho famonjena ny olona rehetra .
Fanontaniana :
Inona tokoa moa ny dikan’ny hoe : « Jentilisa »?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM