Andriamanitra no mpamorona

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Janoary 2023

ISAIA 45.9-13

ISAIA 45.9-13
9 Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy? 10 Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny* hoe: Inona no aloaky ny kibonao? [Heb. ny vehivavy] 11 Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. 12 Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra* ny eny aminy rehetra. [Heb. nandidy] 13 Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

Andriamanitra no mpamorona

Ireto manaraka ireto no hevi-dehibe raisintsika avy amin’izany :

1- Azony ampiasaina avokoa ny olona rehetra (and 9-10)

Mahagaga fa na dia izay firenena sy olona tsy mahalala Azy akory aza dia ampiasainy ho fitaovana eo ampelatanany,hanehoany ny maha-Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao Azy. Eto izao dia i Kyrosy mpanjaka jentilisa izay tsy mahafantatra Azy akory (Isa 45.1) . Izy no nomeny fahefana handresy ny Babyloniana noho ny fitiavany hanafaka ny Israely amin’ny fanandevozana . Oharina toy ny tanimanga eo anatrehan’ny mpanao vilany tany ny olona ,ka azony ampiasaina amin’izay ilany azy . « Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe : Inona no ataonao? »(and 9)

2-Eo am-pelatanany ny ho avy rehetra (And 11-13)

Aseho eto fa Andriamanitra no mpahary ny Israely sady Izy koa no Ray mpiahy azy . Manana hevitra iheverany ny olony Izy ,ary manana ny lalana tiany hitondrana azy .Noho izany dia tsy tokony hanana fanahiana ny amin’ny ho aviny ny Israely . Tsy ny Israely ihany fa isika rehetra koa, satria zanany isika sady asan’ny tanany ka hoy indrindra Izy amintsika : « Ny amin’ny zavtra ho avy no anontanio Ahy ary ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany » (and11). Teny fanomezan-toky ho antsika izany,sady mamelona fanantenana mba tsy hananantsika fanahiana manoloana ny zava-manahirana samy hafa izay atrehina amin’ny andro ankehitriny ;teny mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra antsika ka mahatonga antsika hibanjina an’ i Jesoa ,izay voahosotr’Andriamanitra mba hanafaka antsika amin’ny fanandevozan’ny fahotana ,sady manome fiainana mandrakizay .

Fanontaniana :

Inona no antony heverinao fa nifidianan’ny Tompo anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM