Ny fahendrena
Mofonaina anio: Talata, faha 10 Janoary 2023
OHABOLANA 8.22-36
OHABOLANA 8.22-36
22 Jehovah nahary* ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.[Na: nahazo] 23 Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. 24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, 25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, 26 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao. 27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy, 28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina, 29 Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany, 30 Dia mpità-marika* teo anilany aho Sady ravoravo isan'andro isan'andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;[Na: notezaina] 31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona. 32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; 33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. 34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. 35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah; 36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.Ny fahendrena
Endrika maro no hanehoan’ny bokin’ny Ohabolana ny « fahendrena » ,matetika dia maka ny toeran’ny olona miteny sy mananatra izy. Amin ‘ity manaraka ity izao dia milaza fa :
1-Hatrizay hatrizay ny fahendrena (and 22-23)
Raha vakintsika tsara ireo andininy ireo dia voalaza amin’izany fa efa tao amin’Andriamanitra hatramin’ny tantaran’ny fahariana ny fahendrena. « Izaho notendreny hatramin’ny fahagola. Eny, hatramin’ny voalohany indrindra dia fony tsy mbola ary ny tany »(and23) .Raha izany no izy , dia nandray anjara tamin’ny fahariana izao rehetra izao ny fahendrena. Mampitodika antsika amin’i Jesoa Kristy izany teny izany, satria Kristy no herin » Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra (1 Kor 1.24), ary Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita,lahimatoa talohan’izao rehetra izao .Noho izany dia azo lazaina eto fa tsy hafa ity « Fahendrena‘ » ity fa milaza an’i Kristy sy ny fahafenoany rehetra tao amin’Andriamanitra mpahary hatrizay hatrizay.
2-Mahasambatra ny fananana « Fahendrena »(and 32-36)
« Koa mihainoa ahy ianareo , anaka fa sambatra izay manaraka ny diako »(and32). Miteny toy ny ray aman- dreny mananatra ny zanany ny « fahendrena ka mitaona azy ireo hanaraka sy hankato azy mba hananany fahasambarana sy ahazoany fiainana . « Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah « (and 35). Izany dia milaza ny fahasambarana sy ny fiainana mandrakizay , izay omen’Andiamanitra antsika amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanarahana an’i Jesoa Kristy izay efa nilaza tamintsika hoe : « izaho avy mba hananany fiainana , sady hananany be dia be « (Jao 10.10
Fanontaniana:
Hazavao araka izay hevitrao ny Ohabolana 9.10
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM