Mahagaga ny asan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Janoary 2023

SALAMO 104.24-35

SALAMO 104.24-35
24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao] 25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao] 27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany. 28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; 29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, 30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. 31 Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany. 32 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka. 33 Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina. 34 Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah. 35 Ho lany ringana tsy ho et? amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho et? intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.

Mahagaga ny asan’Andriamanitra

Raha mandinika isika dia hahatsapa fa izay rehetra noharian’Andriamanitra dia mahagaga avokoa .

1- Maneho ny fahendren’Andriamanitra (and 24)

Tsy hoe mahafinaritra ny maso fotsiny ny mahita ireo zava-boahary noharian’Andriamanitra,toy ny masoandro , na ny volana aman-kintana , ny tendrombohitra avo ,ny ranomasina midadasika, ny hazandrano isan-karazany sns…fa mahatonga antsika hahatakatra fa hendry Andriamanitra . Arindrany mba hifameno ny zavatra rehetra nohariany . Izy no mampisy hanina hohanin’ireo zava-mananaina any anaty ranomasina mba hahavelona azy (and27) . Hita miharihary eto ny fahendrena sy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra mikarakara sy mamelona ny zava-boahariny.Mampalahelo fa ny olombelona ihany no tena manimba sy mamotika izany.Ny fanariana fako sy akora simika any an-dranomasina dia miteraka fahasimban’ny tontolo iainana sady mamono ireo karazana hazandrano vaventy na madinika .

2- Mahatonga antsika hidera Azy (and 31-35)

Andriamanitra no Mpahary ny zavatra rehetra ka mendrika hoderaina indrindra (and31), ary tsy izany ihany fa Izy no manan-kery hifehy azy (and 32) sy miaro izany mba hahafahan’ny zanak’olombelona miaina sy mivelona eo aminy .Ny fahitana ny zavatra rehetra nohariany dia mahafaly avokoa ka mahatonga aingam-panahy hihira sy hankalaza Azy (and 33-34). Irintsika ny hitahiry izany ho an’ny taranaka mifandimby ka ho foana ny sain-dratsy manimba ny zava-boahary sy ny tontolo iainana (and35). Koa andeha isika hisaotra sy hidera an’Andriamanitra noho ny fahagagana ataony fa mahagaga ny Anarany .

Fanontaniana :

Inona no andraikitry ny fiangonana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM