Jesoa Kristy no lohan’ny fahariana vaovao

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Janoary 2023

KOLOSIANA 1.15-20

KOLOSIANA 1.15-20
15 Izy no endrik'Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao; 16 fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy et? ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana*, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; [* Gr. seza fiandrianana] 17 ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Ary Izy no Lohan'ny tena, dia ny fiangonana*; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin'ny maty, mba ho Lohany amin'ny zavatra rehetra Izy. [* Gr. eklesia] 19 Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran'ny fahafenoana rehetra, 20 sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny et? ambonin'ny tany, na ny any an-danitra.

Jesoa Kristy no lohan’ny fahariana vaovao

Ho fanoherana ny fampianaran-diso tany Kolosia no nanoratan’i Paoly ity Epistily ity ,mba hanehoana ny maha-Izy Azy an’i Kristy sy ny fahafenoany rehetra araka izao manaraka izao :

1-Tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra (and15-17)

Kristy no lehibe indrindra sady manapaka ny zavatra rehetra .Izany no antsoina amin’ny hoe:« lahimatoa« (and15) . Tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany ,ny hita sy ny tsy hita ,na fiandrianana,na fanjakana na fanapahana na fahefana .Tamin’ny alalany sy ho Azy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra . Nisy talohan’ny zavatra rehetra Izy sady eo Aminy no haharetan’ny zavatra rehetra .

2-Izy no lohan’ny fiangonana (and18-19)

Jesoa Kristy no nitsangana voalohany tamin’ny maty .Nanomboka tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty sy ny nandraisan’ny mpianatra ny Fanahy Masina no niorenan’ny fiangonana voalohany ,ary tamin’izany dia niseho miharihary fa Izy no anton’ny fiorenan’ny fiangonana voalohany sady lohan’ny fiangonana ,ka ny mino rehetra izay nanolorany ny ainy sy manara-dia Azy dia hatsangana amin’ny maty tahaka azy koa.

3-Izy no famphavanana ny zavatra rehetra

Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana no nahatonga ny olona ho vita fihavanana amin’Andriamanitra izay rehetra mino Azy dia hahay miara-monina amin’ny fifandraisana feno fiadanana sy fandriamphalemana. Ny fifandraisana amin’i Jesoa Kristy no hahazoana miaro sy mikolokolo ny zava-boahary sy ny tontolo iainana araka ny lamina napetrak’Andriamanitra tamin’ny nahariany ny zavatra rehetra .

Fanontaniana:

Samy kristiana hono kanefa tsy mahay miara-monina. Hazavao!

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM