Ny toetoetry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Janoary 2023

APOKALYPSY21.1-8

Apokalypsy 21,1 - 8
1 [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. 2 Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny. 3 Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitoetra an-day] 4 Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. 5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo. 6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. 7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.

APOKALYPSY21.1-8

Ny toetoetry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

Ny Soratra Masina dia milaza amintsika fa handalo fanavaozan’Andriamanitra ny zavatra rehetra izay nohariany .Ho levona izao tontolo izao ankehitriny ka hisolo lanitra vaovao sy tany vaovao . Toy izao ny ho toetoetr’izany araka izay hita eto:

1- Tanana masina (and 1-4)

Hafa tanteraka noho ny teo aloha io »Jerosalema vaovao » io,tsy hisy hery hafa atahorana hanohitra an’Andriamanitra intsony .Izany no hevitry ny teny hoe : « ary ny ranomasina dia tsy hisy intsony« (and1). Andriamanitra irery no mpanorina azy ka lazaina hoe: « nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra « (and2). Tanana voaomana tsara « tahaka ny ampakarina hihaona amin’ny vadiny » : izany dia manambara ny fiangonana tsy misy pentipentina na fikentronana fa masina sady tsy misy tsiny ( jereo Efes 5.27) ,tanana fonenan’Andriamanitra mandrakizay »ary Andriamanitra no hitoetra eo Aminy » (and 3) ,tanana tsy hisy fahafatesana na alahelo na fitarainana intsony , »fa efa lasa ny zavatra taloha » (and4)

2- Fonenan’ny olona masina

Ny osa na kanosa , milaza ireo olona tsy sahy mifanandrina amin’ny herin’ny ratsy ka manda ny Tompo ,ny tsy mino an’i Jesoa Kristy ,ny vetaveta dia ireo manompo andriamanin-kafa sy ny mpanompo sampy ,ny mpamono olona,ny mpijangajanga ,ny mpandainga satria ny devoly no rain’ny lainga…Ireo rehetra ireo dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra fa hanana ny anjarany kosa any amin’ny fahafatesana faharoa izay midika ho fahaverezana mandrakizay.Ny fandraisana ny famelan- keloka avy amin’i Jesoa Kristy irery ihany no antoka hananantsika anjara lova ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra mandrakizay .

Fanontaniana:

Efa azonao antoka ve fa handova ny fanjakan’ny lantra ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM