Ny fahaterahan’ny Mesia
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Desambra 2022
ISAIA 9.1-6
ISAIA 9.1-6
1 Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava. 2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo. 3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon'ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin'ny andro namelezana ny Midiana. 4 Fa ny kiraron'izay mitrevatreva fandeha eo amin'ny fihorakorahan'ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin'ny afo izany. 5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] 6 Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.Ny fahaterahan’ny Mesia
Hanova ny fiainan’ny vahoakany ny fahatongavan’ny Mesia
1-Fiposahan’ny fahazavana (and1-4)
Raha niaina tao anatin’ny aizina izy ireo teo aloha dia hahita mazava lehibe.Niaina tao anatin’ny aizim-pahotana sy ny famoizam-po ,izay aloky ny fahafatesana ny Israely.Nampahorian’ny fahavalo ny Israely ,nampilanjaina zioga fitondrana entana tahaka ny biby,nokapohina tamin’ny karavasy (and3,4).Maizina tanteraka ny androny .Toa nanafina ny tavany tamin’izy ireo ny Tompo ,ka tena nahatsiaro ho toy ny efa maty izy ireo. Fa ankehitriny kosa, ny mpaminany Isaia dia mitondra hazavana mamirapiratra dia ny teny mamelona fanantenana ,mitondra fifaliana,milaza fanafahana.Tsy misy ezaka avy tamin’ireo olona nitoetra tao amin’ny maizina ny nahatonga ny mazava , fa tena asan’Andriamanitra samirery izany .Ny fahaterahan’I Jesoa Kristy no manafaka antsika amin’ny aizim-pahotana.
2-Fanjakam-piadanana (and 5-6)
“Fa zaza no teraka ho antsika .Zazalahy no omena antsika “… Fanomezana sarobidy indrindra avy amin’ny Tompo ho an’ny mino ny fahatongavan’ny Mesia .Amin’ny alalany no andravan’ny Tompo ny fahavalo sy hanatanterahany ny famonjena .Misalotra ny fitafiana sy ny marika maha-mpanapaka Azy Izy(and5b) .Ny asa tanterahany sy ny toetra hitondrany ny fanjakany no hanomezan’ny olona Azy ny Anarany araka izao : Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery. Jesoa Kristy dia tena Zanak’Andriamanitra ,Rain’ny mandrakizay,mizara zava-tsoa mandrakariva ho an’ny zanany .Andrian’ny fiadanana mpanapaky ny fiadanana .Ny fanjakan’ny Mesia no fanjakana mandrakizay anjakan’ny fiadanana sy ny fahamarinana (and6) .
Fanontaniana:
Nanova ny fiainanao ve ny fankalazanao ny Krismasy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM