Niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra i Solomona
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Desambra 2022
1 MPANJAKA 11.4-13
1 MPANJAKA 11.4-13
4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy. 5 Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita. 6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy. 7 Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona. 8 Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny. 9 Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa 10 sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy. 11 Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao. 12 Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy. 13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.Niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra i Solomona
Solomona dia anisan’ny mpanjaka nalaza tamin’ny fananana fahendrena sy fahaiza-mitondra ny firenena ,saingy tamin’izao fahanterany izao dia nivily làlana izy ka niala tamin’Andriamanitra .Inona àry no nahatonga izany ?
1-Nanaiky hotarihan’ny vadiny hanompo sampy
Nanambady vehivavy taranaka mpanjaka maro I Solomona .Nataony izany mba ho fanamafisana ny fifandraisana teo amin’ny Israely sy ireo firenena nanodidina azy .Tamin’ny andron’ny fahanterany dia nitarika azy hanompo sampy ireo vadiny,izay hafa firenena ireo .Ary noho ny fitiavany azy ireo no nahatonga azy hanao izay ratsy indrindra teo imason’i Jehovah (and6), ka nanaiky hanompo ny andriamanitr’ireo vadiny .Eto noilazana fa tsy tokony hampiala ny olona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiavam-bady.Tokony hitandrina ny kristiana manambady tsy mpino , fandrao hovoatarika hiala amin’Andriamanitra .
2-Nitotongana ny fanjakany (and11)
Tsy hoe: tsy nahalala akory I Solomona , fa tena niniany natao izao fivilian-dàlana hanaraka andriamanin-kafa izao , ka tsy nitandrina izay nandidian’I Jehovah azy noho ny fitiavam-bady tafahoatra .Mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famaizany ny fivadihana Aminy .Nesorin’Andriamanitra taminy ny fanjakana .Na teo aza izany dia nomeny firenena iray hanjakany ihany ny zanany .Izany dia noho ny teny fampanantenana nataony tamin’I Davida sy Jerosalema .Tokony ho mailo isika mpino sy izay rehetra manao azy ho efa mijoro , fa betsaka ny zavatra mety hampiala antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra .Izay mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany ihany no ankasitrahana .
Fanontaniana
Vakio ny LIOKA 14.26. Ahoana ny fandraisanao izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM