Ny olona nomen’Andriamanitra ny  fanjakany

Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Desambra 2022

LIOKA 12.32-40

LIOKA 12.32-40
32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. 33 Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba. 34 Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo. 35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; 36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay. 37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. 38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.

Ny olona nomen’Andriamanitra ny  fanjakany

 Mampiavaka ny Filazantsara  araka ny Lioka ny fanasongadinana  ny fihetsik’iJesoa  manoloana ny kamboty ,ny malahelo,ny voan’ny tsindry hazo lena,ny mpifatotra ,ny marary,ny ankizy sy ny olona nomena ny  fanjakan’Andriamanitra dia :

1-Manao asa fiantrana (and33-34)

 Jesoa dia manome anjara toerana an’ireo  olona voailikilika  eo amin’ny fiaraha-monina . Asehon’ny mpanoratra fa ny tena zanak’Andriamanitra dia mampifanaraka ny teny sy ny asa,tahaka izay nataon’i Kristy . « Fa  izay itoeran’ny  harenareo  dia ho any  koa ny  fonareo ».Tsy  nilaza akory Jesoa fa mahadiso  ny Kristiana  ny fananana trano sy harena. Ary rariny  aza raha ny zanaky ny fanjakan’Andriamanitra  no misitraka ny harena nomen’Andriamanitra azy ao amin’ny taniny . Saingy  mampitandrina kosa izy mba tsy ho latsaka amin’ny fitiavam-bola tafahoatra ,ka hahaizany mizara izany . Mba tsy ho izy ihany no hanankarena nefa ny manodidina  azy fadiranovana .

2-Miambina (and35-40)

 Asehon’I Jesoa  amin’ny alalan’ny sary  an’ohatra izay  tokony ho fiomanana takina amin’ny vahoakan’ny fanjakan’Andriamanitra eo am-piandrasana ny fiverenan’ny Tompo . Mahafaly  ny Tompo  raha amin’ny fiverenany  no mahita  ny  mpino feno fahavononana amin’ny fitsenana Azy,vonona  mandrakariva amin’ny asa fanompoana  rehetra mety ilaina amin’ny fahatongavany.Izany no hevitry ny hoe: “Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo” (and35). Ankoatra izany dia tsy maintsy ho mailo  hatrany  isika satria ho tampoka ny fahatongavany (and39-40)

Fanontaniana:

Nahoana no misy mahantra ao am-piangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM