Ny zavatra hitranga ilàna fiomanana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Desambra 2022

MARKA 13.9-13

MARKA 13.9-13
9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. 13 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Ny zavatra hitranga ilàna fiomanana

Efa niseho avokoa ny ankabeazan’ireo  zavatra nambaran’i Jesoa mialoha ny  fiavian’ny farany ,toy ny fisian’ny  mpamitaka ,ny  mpaminany  sandoka ,ny filazana ady  ,ny  horohorontany. Ankoatran’izany dia nambarany  fa :

1-Ho avy  ny fanenjehana (and9)

Nolazain’I Jesoa  fa tsy  maintsy  hiharan’ny fanenjehana mafy  ny Apostoly  ka hatolotra eo anatrehan’ny Synagoga ,hotsaraina eo anatrehan’ny  manam-pahefana  sy ny  mpanjaka  noho ny maha- mpianatr’i Jesoa  azy  ireo  mba hijoroany  ho  vavolombelona manambara  an’I Jesoa  eo anatrehany  .Ny fanenjehana  izay hihatra  amin’ireo  mpianatr’i Jesoa eo anatrehany  .Ny fanenjehana izay  hihatra  amin’ireo mpianatr’i Jesoa  dia tsy  hahasakana velively  ny  fielezan’ny Filazantsara .Ny  mifanohitra amin’izany  aza no hitranga .Fa arakaraka ny  hanenjehana sy  hifofoana ny ain’ny  mpitory Filazantsara no  vao  mainka mampiely izany .Tsy verivery foana ny ain’ny mpitory  Filazantsara ny  fisian’ireo  maritiora marobe no toy ny zezika mampiroborobo  ny fielezan’ny Filazantsara manerantany .

2-Aoka hanana faharetana (and13)

Izay  rehetra manara-dia an’I Jesoa  dia ho halan’ny olona rehetra.Hitranga izany fankahalana izany,eny na dia eo anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana aza.Tsy natao hampatahotra akory ny filazan’I Jesoa izany.Fa vao mainka  tokony hanana faharetana. Nambarany mantsy fa raha hiatrika fitsarana izy ireo dia tsy tokony hanana fanahiana ny amin’izay teny holazainy,fa ny Fanahy Masina ,Ilay mpisolovava no hanoro izay fomba hiarovan-tena amin’izany.Ary tsy izany ihany fa nanome toky Izy fa amin’ny farany  dia hahazo  rariny ny mpino .”Fa izay maharitra hatramin’ny farany  no hovonjena”(and 13)

Fanontaniana :

Inona no fiomanana tokony  hatao  raha ho avy ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM