Ny fahaterahan’ny Mesia

Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Desambra 2022

MIKA 5.1-5

MIKA 5.1-5
1 [Ny hahaterahan'ny Mesia, sy ny ho toetry ny fanjakany] Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'2* ny Zanak'Isiraely.[Na: ho any] 3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany* ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny]

Ny fahaterahan’ny Mesia

 1-Ao Betlehema ,tanàna kely …

Betlehema dia isan’ny tanàna kely tao Joda .Tao no nahaterahan’I Davida mpanjaka (1Sam 16.1/17.2) . Ny  mpaminany Mika dia naminany  tao Joda  tamin’ny andron’I Jotama sy  Ahaza ary Hezekia.Ny  fanompoantsampy ,ny fitsiriritana,ny fampahoriana ny malahelo  ary  fampianarana sandoka no nanjaka teo amin’ny Israely  sy Joda. Anisan’ny  mpaminany nijoro  ho mpiaro ny vahoaka niharan’ny fampahoriana  ny mpaminany Mika .Izy  no anisan’ny  mpaminany naneho mazava  indrindra ao amin’ny Testamenta taloha  ny fanantenana  ny Mesia .Safidin’Andriamanitra  samirery  ny fahaterahan’Ilay  Mpamonjy  ao amin’ity tanàna kely “izay kely tsy tokony  ho isan’ny Joda akory”ity. Fahasoavana ho antsika izany satria na dia kely sy fanao  tsinontsinona aza isika dia nisafidy  antsika ho  fitondrana ny Anarany Izy.

2-Izy no hamonjy …(and5)

Ny vanim-potoana naminanian’I Mika  dia tena niandrandran ‘ny vahoakan’Andriamanitra ny famonjena ary fantatry ny Jiosy mazava tsara ny hevitr’izany fahatongavan’ny Mesia  izany ,saingy  mandra-pahatongan’ny fotoana voatendry dia toa avelan’Andriamanitra hiharan’ny fampahorian’ny fahavalo aloha ny vahoakany(and2).Rehefa tonga ny andro voatendry dia hifarana ny fijalian’ny olon’Andriamanitra .”Ary Izy hamonjy amin’ny Asyriana .Raha tonga amin’ny tanintsika  sady manitsaka ato amin’ny faritanintsika ireny “ (and4,5). Amin’ny fotoana handraisantsika an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy,hanapaka ny fiainantsika no hitsaharan’ny fahoriana ka hananantsika fiadanana.”Ary izy no fiadanana” (and4a).

Fanontaniana:

Inona no zavatra antenainao amin’ny fankalazana ny andro Krismasy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM