Ny fitsaran’ny tany
Mofonaina anio: Talata, faha 06 Desambra 2022
JAONA 19.6-11
JAONA 19.6-11
6 Ary rehefa hitan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! homboy amin'ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony. 7 Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra. 8 Ary nony ren'i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy, 9 dia niditra tao anati-rova* indray izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy. [*Gr. pretoria] 10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin'ny hazo fijaliana koa? 11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.Ny fitsaran’ny tany
Notsarain’i Pilato i Jesoa Kristy
1-Tsy manana fahefana amin’i Jesoa Kristy
« ianao tsy manana fahefana Amiko akory » .Tsy hitan’i Pilato izay mahameloka an’i Jesoa Kristy. Te-handefa Azy saingy tsy sahy manapa-kevitra.Tetsy andaniny ireo tomponandraikitra ara-pivavahana Jiosy dia nikendry ny hamonoana Azy, ka toa manery an’i Pilato hamoaka izany didy fanamelohana ho faty izany .Maneho ny saritsarim-pahefana nananany i Pilato ka indro niala nenina nanontany Azy,milaza fa afaka mandray fanapahankevitra ny Aminy (and8-10).Mazava anefa ny tenin’i Jesoa Kristy .Izy no Tompon’ny fanjakana , ny fahefana rehetra ka tsy manana fahefana Aminy iPilato .
2-Manatanteraka ny drafitr’Andriamanitra
« raha tsy nomena anao avy any ambony « .Tompon’ny fahefana rehetra Andriamanitra.Izy no nanolotra sy manome izany ho an’izay tiany hanatanteraka ny sitrapony .Hamoaka didy ihany iPilato ny amin’ny fanamelohana an’i Jesoa Kristy , ny hanomboana Azy amin’ny hazo fjaliana ,tsy fahefana araka ny maha-mpanjaka azy anefa izany fa Andriamanitra no manolotra izany ho fanatanterahana ny sitrapony .Avelan’Andriamanitra hotsarain’olombelona mpanota ny zanany , nekeny ny fanamelohana ho faty teo amin’ny hazo fijaliana fa izany no làlan-tokana ho famonjena , ho fanafahana ny olona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana .
Fanontaniana:
Diniho ireo dingana nentina nitsarana an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy sy ny fanjakana Romana .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM